Politika

Rakotomanana Richardson : “Tsy manohitra tetikasa ny fiarahamonina sivily”

“Tsy vondrona mpanao politika hanohitra na hanohana fitondram-panjakana ny fiarahamonina sivily. Fa sady manampy ny vahoaka izy no manampy ny sampandraharaham-panjakana. Izay ihany no tena andraikitry ny fiarahamonina sivily.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Fiombo­nan’ny fiarahamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Mala­gasy na Coalition de la société civile pour le progrès […]

Fihaonana an-tampon’ny COI : Nampitandrina ireo mikasa hanakorontana ny mpitondra

Mbola nanamafy ny efa nambarany ny herinandro lasa ny mpitondra. Hentitra sy nahitsy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, i Mara Volamiranty Donna. “Miara-miasa isika rehetra ary manome toky fa handray andraikitra, raha misy olona miezaka sy manana eritreritra hamboly korontana amin’ny fitiavan-tena sy ny kajikajy politika manokana. Mijoro […]

Sekretera nasionalin’ny Arema: «Tokony hohenoina ny feon’ny vahoaka»

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Arema. Nitodika amin’ny rehetra izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick, fa efa nampianarin’ny ray aman-dreny hifankatia sy hifanasoa ny Malagasy rehetra. “Aoka isika samy hitady ny hanasoavana ny mpiray tanindrazana”, hoy izy. Notsiahiviny fa nisintona ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiny ny Arema […]

FANTINA sy FINTINA

Hamboarina ny lalana rehetra eto Antanana­rivo, araka ny nambaran’ny governoran’ny faritra Ana­lamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohi­dahy, omaly. “Efa nampanantenaina ny vahoakan’Antanana­rivo izany fa somary hafainganina kokoa ny fanamboarana azy. Ezahina vitaina ny lalana rehetra”, hoy izy. Niaraka niombom-bavaka tamin’ireo Mala­gasy any Paris ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, tamin’ny alahadin’ny […]

Fitsarana Tampony: Laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly

“Rehefa apetraka amin’ny toerany ny lehiben’ny fitsarana iray dia tsy maintsy manolotra vina vitsivitsy. Ny ady amin’ny kolikoly no voalohany indrindra amin’izany, izay fanambin’ ny fitondrana ankehitriny ary imasoan’ny minisitry ny Fi­tsa­rana”. Io ny nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna ambony amin’ny fitsarana Tampony, Andriamahavory Christian Paul, tamin’ny lanonam-pitsarana manetriketrika teny amin’ […]