Notanterahina ny alarobia teo ny fanentanana momba ny Birao solontenan’ny fananan-tany iraisana (BSFI) any amin’ny distrikan’Andilamena. Teo koa ny fanofanana ireo mpitantana ifotony. Anisan’ny nampahafantarina tamin’izany ny momba ny fametrahana ny BSFI, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nandray anjara tamin’izany ny depioten’Andilamena, ny governoran’ny faritra […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Voatendrin’ny filankevitry ny ministra ho filohan’ny “Comité pour la sauvegarde de l’intégrite-CSI”, Andriamifidy Jean Louis. Efa tale jeneralin’ny Bianco ny tenany. Efa nisahana ny “Conseil consultatif de l’Union africaine sur la corruption – CCUAC” aty Afrika ary tale kabinetran’ny Ceni koa. Mikasa ny hitsidika eto Madagasikara ny filohan’ny Repoblika slovène, […]
FARITRA Analamanga : Efa fandaharanasa ny fanatsarana ny tanàna
Nitondra fanazavana. Nambaran’ny governoran’ Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, fa tsy mitsahatra miasa andro aman’alina ho fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny COI ireo mpiasa rehetra eo amin’izy ireo. “Ivon’ny fivoriambe ny eto Analamanga ary efa tao anaty fandaharanasa hanatsarana ny Renivohitra, ataon’ny faritra, ireo asa rehetra tanterahina amin’izao fotoana […]
Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ny fampivoarana ny sosialy sy toekarena”
Niara-nidinika tamin’ny eo anivon’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ny filohan’ny Repoblika. Anisan’ny niompanan’ny fifanakalozan-kevitra ny momba ny sosialy sy ny toekarena. «Zava-dehibe ny dinikasa manoloana ny firosoan’ny ezaky ny governemanta malagasy amin’ny fanavaozana marolafy ho amin’ny fampivoarana ny sosialy, indrindra ny toekarena». Io no anisan’ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tamin’ny dinikasa […]
Fanamboaran-dalan’ny 2AH : Nofanina ara-teknika ny ao Amboanana
Nanomboka ny fanamboaran-dalana ao Ampahimanga-Manalalondo. Anisan’ny tena ratsy ny 4km amin’ny 30km mampitohy an’Ampahimanga – Amboanana, ka nambaran’ny filohan’ny ONG 2AH, Andriamihaja Andriatsimiandriambony Iadjah, fa hitadiavana fiaraha-miasa amin’ny faritra Itasy izany amin’ny fampiasana “Engin”. Na izany aza, hatao « piste » na lalantany mifanaraka amin’ny toe-tany ny fanamboarana ny lalana […]





