Politika

Hafatry ny evekan’Antsi­rabe, Andriantsoavina: “Sahia miteny sy mijoro amin’ny fahamarinana”

Hafatra fohy no nampitain’ny eveka, ny Mgr Andriantsoa­vina Jean Pascal, manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao sy ho an’ny tsirairay ary ny isam-batan’olona. “Aoka ho tso-piaina ary sahy mijoro amin’ny marina isika. Sahia miteny raha mahita tran­gan-javatra tsy araka ny sitra­pon’Andriamanitra miseho eny amin’ny fiarahamo­nina”, hoy izy tao amin’ny […]

Fitsarana: “Aleo mba hiala ny fitsabahan’ny manampahefana”

Natao omaly ny famaranana ny fotoam-pitsarana 2024 sy ny fanombohana ny taom-pitsarana 2025. Misy ny ezaka atao amin’ny ady amin’ny kolikoly sy ny tsindry isan-karazany. “Aleo mba hiala ny fi­tsabatsabahan’ny havana sy ny manam­­pahefana sasany, fa tsy ny rehetra, amin’ny raharaham-pitsarana”, hoy ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Rajoelina Yves Hugues, […]

Antson’ireo Malagasy any ivelany: “Tsy mendrika antsika izao zava-misy izao”

Nanao fanambarana ireo Malagasy anaty fikambanana 2CO2M any ivelany. Niantso ny hery eto amin’ny firenena izy ireo fa efa halohalika ny ranombary. “Tsy mendrika ny Malagasy izao zava-misy izao. Tena tsy rariny satria fanambaniana tsotra izao. Aleo maty mitsangana toy izay velona mandadilady “, hoy izy ireo. Voatsiahy amin’izany fa […]

Governoran’Analamanga: “Tsy any amin’ny korontana intsony ny vahoaka”

Nitondra ny heviny manoloana ny hivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna rahampitso ny governoran’ Analamanga, Rasoamaro­maka Hery. Nambarany fa sakana amin’ny fampandrosoana ny savorovoro eto amin’ny firenena, indrindra fa ny eto Antananarivo Renivohitra. “Efa tsy mahataitra ny vahoaka na mahasarika azy intsony ny korontana. Ekena fa tsy tonga lafatra saingy hitan’izy ireo […]