Nandray ireo ben’ny Tanàna avy amin’ireo tanàn-dehibe, tetsy Ankorondrano, omaly, ny avy amin’ny tetikasa Produir sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Niompanan’ny fihaonana tamin’ireto mpitantana eny ifotony vaovao ireto ny fomba fitantanana ny tetibolan’ny kaominina miainga amin’ny zava-misy eo an-toerana. Eo koa ny fanaovana […]
Politika
Fanampiana traboina : Nidina ifotony tany Ampanihy ny filoha Rajoelina Andry
Nidina ifotony avy hatrany nijery ireo traboina noho ny rivodoza farany teo ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Nitondra fanampiana sy nankahery azy ireo ny tenany tamin’izany. Fankaherezana, fanolorana fanampiana… Izay ny fitsidihana voalohan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ireo traboina any Ampanihy Andrefana, omaly, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Honde. Niara-dia taminy ny […]
Atrikasa iraisam-paritra: Hapetraka ny demokrasia ifampiresahana
Notanterahina omaly, tetsy Ivandry, ny atrikasa momba ny demokrasia ifampiresahana, ny tontolo iainana maharitra aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Anisan’ny nikarakara izany ny eo anivon’ny “Fondation de l’innovation pour la démocratie”. Nivoitra tamin’izany fa tanjon’izao atrikasa izao ny fanamafisana ny andraikitry ny rehetra sy ireo mpikaroka. Eo koa ireo mpanapa-kevitra ara-politika […]
FANTINA sy FINTINA
Nametraka fanamby amin’ny fanomanana ny fandraisana ny fivoriam-ben’ny firenena eto anivon’ny ranomasimbe Indianina (COI) ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nambarany tamin’ny fananganan-tsaina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna izany, omaly. Nanteriny koa fa hiatrika fivoriana handinihana ny tetibola ny filankevitry ny Tanàna. Naneho ny firaisankina ny any amin’ny faritra Menabe sy […]
Fahaleovantenan’ny faritra : Miantso dinika fandaminana ny MFM
Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko MFM ary mitondra sosokevitra sy vahaolana hatrany. Nambaran’ny filoha mpiara-mitantana, Randrianirina Ignace, fa tonga ny fotoana hametrahana ny fahaleovantenan’ny faritra. “Hitondra filaminana sy fivoarana ary fampandrosoana malaky ho an’ny mpiray firenena ny firosoana amin’izany. Miantso ny mpiray firenena rehetra izahay hiroso amin’ny […]




