Politika

Ceni : “Tokony hatao ny fifidianana izay hitantana ny faritra”

Nitondra ny fanehoan-keviny momba ny fifidianana izay hitantana ny faritra ny Ceni, omaly. Tokony hirosoana izany, araka ny nambaran’Andriamarotafika Soava, mpampaka-teny. Tokony hatao ny fifidianana izay hitantana ny faritra, raha ny nambaran’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, raha nanontaniana ny tohin’ny fanatanterahana fifidianana manaraka taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna […]

Fivato : “Tokony homena fahefana ny amin’ny filaminana ny eny ifotony”

“Raha tsy ny olom-pirenena ifotony no mandray anjara sy andraikitra amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny maha tompon-draharaha azy, nofinofy ihany izay tena hisiana fandriampahalemana maharitra eto amin’ ny firenena.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fiaraha-mientan’ny vondron’olona afaka tomponandraikitra (Fivato), Radimbiel­son William, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny tsy […]

Mpitondra tenin’ny governemanta : “Aoka mba ho tsikera mampandroso”

Nohitsin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), i Volamiranty Donna, ny eo anivon’ny fanoherana, ny faran’ny herinandro teo. Nametra-panontaniana mihitsy aza ny tenany. “Inona ireo fampandrosoana mba nentin’ny mpanohitra?”, hoy izy. Nomeny lesona sy fampahatsiahivana ny eo anivon’ny fanoherana. Fampandrosoana no tokony himasoan’ireo antoko mpanohitra fa tsy fanakorontanana lava […]

Oniversite sy ny MFFT : Hiaraha-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro

Miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny oniversite. Miara-miatrika aminy amin’izany ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Samy nitondra ny traikefany sy nifampizara momba ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ireo mpampianatra mpikaroka, mpianatra, foibe fikarohana ary ny mpiara-miombona anto­ka. Fa teo koa sady niahy izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]

FANTINA sy FINTINA

Tompondaka amin’ny fahaizana mamono afo, manoloana ireo toe-draharaha mafana eto, ny fitondrana Rajoelina Andry, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny “Cellule de Crise Diovy i Madagasikara”. Nanterin’ izy ireo fa endrika famonona afo no andikana ny fahazoan’ny filohan’ny Repoblika ho mpitarika politika mendrika aty Afrika. Nametra-pialana tsy ho sekretera jeneralin’ny Fiombonana […]