Politika

Nosy Sakatia : Hanohy ny asany araka ny lalàna ny MFFT

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), afakomaly, manoloana ny hetsika fanakorontanana momba ny Nosy Sakatia-Ampasindava. “Manamafy ny MFFT fa hanohy ny asany araka ny lalàna sy hanampy amin’ny fampanjakana ny filaminana sy fanjakana tan-dalàna amin’ny sehetry ny fananantany.” Io ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]

Depiote maro anisa : “Takinay ny hanasaziana ireo mpanakorontana”

Hentitra ary nahitsy ireo depiote maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena, mi­araka amin’ny birao maharitra manoloana ny tranga niseho tany Toliara, ny faran’ny he­ri­nandro teo. “Tsy azo ekena ny fanakorontanana ara-politika atao eto amin’ny firenena ka hialokalofana amin’ny filazana ho fiarovana ny vahoaka nefa fikasana ho amin’ny fanonganam-panjakana no ao ambadik’izany […]

Fivahinianana eto Madagasikara : Hihaona eny Andafiavaratra ny filoha Rajoelina sy i Macron

Efa manomboka ampahafantarina tsikelikely ny momba ny fitsidihan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, eto Madagasikara, ankoatra ny fanatrehany ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Fantatra izany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny ko­lontsaina sady mpitondra te­nin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna. “Hotante­rahina ao amin’ny Lapan’ Anda­fiavaratra ny fihaonana eo […]

Kly Randriampeno Sammy: “Mitady hanjaka ny fitsaram-bahoaka”

Nambaran’ny kaoman­din’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria ao Vakinankaratra, ny Kly Randriampeno Sammy, fa azo ihorianana ny fandriampahalemana any an-toerana. Ani­san’izany ny any amin’ny distrikan’i Mandoto. Efa voafehy izany izao. “Mitady hahazo vahana kosa anefa ny fitsaram-bahoaka sy ny fanolanana. Efa nomena baiko ireo zandary mba hanao fanentanana sy hampianatra ireo vahoaka any […]

FANTINA sy FINTINA

Efa navoakan’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana ny fampahafantarana ho an’ireo maniry ho mpikambana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny zon’olombelona na CNIDH. Hotan­te­rahina ny 15 mey izao, eny Faravohitra, ny fifidianana ny ho solontenan’ny fiarahamonimpirenena ho mpikamban’ny CNIDH. Nosalorana samboady ny zoma teo ireo ben’ ny Tanàna miisa 25 […]