Politika

Fihaonana tamin’ny Antenimierandoholona: Mitaky ny hiarovana ny ainy ireo ben’ny Tanàna

Anisan’ny nisongadina ta­min’ny fihaonan’ny fikamba­nan’ny ben’ny Tanàna tamin’ny filohan’ny Antenimierando­holona ny hijerena manokana ireto mpitantana eny ifotony ireto. Maromaro ny fangata­han’izy ireo. Anisan’izany ny fanampiana tokony ho azo avy amin’ny fanjakana foibe. Ny momba ny tambin-karama raisin’ireo ben’ny Tanàna ary ny fiarovana ny ain’izy ireo eo am-panatanterahana ny asany. “Maniry […]

Fivorian’ny COI hatao eto Madagasikara : Manomana ny fahatongavan’ny filoha frantsay ny MAE

Efa miroso tsikelikely ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) ka handraisana ireo filoham-panjakana maromaro eto amintsika. Araka izany, niompana amin’ny hitsidihan’ny filoha frantsay, Emma­nuel Macron eto Madagasi­kara ny fifampiresahana an-telefaonina teo amin’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitra misahana an’i Eo­ropa sy ny Raharaham-bahiny […]

Fiovaovan’ny toetr’andro : Nizarana traikefa ireo eny ifotony

Nambaran’ny talen’ny fampandrosoana maharitra ny tanàna, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Ramaroson Miary, fa mitohy ny fifampizarana traikefa. Efa nisy ny fiofanana teo aloha momba ny fiatrehan’ny tanàna sy ny kaominina ary ireo minisitera samihafa ny fiovaovan’ny toetr’andro, araka ny nambarany. “Miditra amin’ny fampiofanana sy […]

Fitsidihana tampoka nataon’ny minisitra : Nakatona ny fonjan’i “Maputo” eny Antanimora

Nisy ny fitsidihana tampoka nataon’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Alexis Bejamin Alexis, teny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly maraina. Fepetra maromaro no noraisina tamin’izao fidinana ifotony izao. Anton’ny fitsidihana tampoka ny fijerena ny fom­ba fiasa sy ny lesoka amin’ny fitantanana ity fonja ity. Hijerena koa ny ahafahana manampy ireo mpandraha­rahan’ny fonja amin’ny […]

Mpitondra tenin’ny governemanta : “Nisy masontsivana ny nahazoan’ ny filoha amboara”

Nitondra fanazavana amin’ ny nahazoan’ny filoha Rajoelina Andry ny amboara nahavoafidy azy ho mpitarika politika Afrikana mendrika 2024, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, omaly. “Nandalo masontsivana ny fisafidianana eo anivon’ny African Leader­ship Magazine, ankoatra ny safidy avy amin’ny daholobe”, hoy izy. Nanteriny fa manana vina […]