Noraisin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, omaly, ny iraka manokana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, Catalina Marulanda. Anisan’ny iandraiketany ny sampandraharaha momba ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe, ny fananan-tany ho an’ny faritra Afrika Atsinanana sy atsimon’i Afrika. Nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny andaniny sy ankilany ny momba ny fandaharanasa Produir, […]
Politika
Andrianainarivelo Hajo: “Tokony hahay haka lesona ny mpanohitra”
Nivahiny tao amin’ny fahitalavitra TeleSud, any Paris, afakomaly, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nitondrany ny fomba fijeriny ny fiainam-pirenena ankapobeny ka anisan’izany ny lafiny politika. Anisan’ny nitondrany ny heviny ny momba ny fanoherana. Hita ireny ny vokatra ka tokony hanavao ny firafitra sy ny vina ary ny […]
Demokrasia: Avy amin’ny vahoaka ny fahefana, an’ny vahoaka ary ho an’ny vahoaka
Inona marina ny hoe demokrasia? Mahabe resaka na adihevitra hatrany… “Fitondran’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ary ho an’ny vahoaka”, hoy ny filohan’i Etazonia teo aloha, i Abraham Lincoln. Andrana fanadihadiana… “Mifamatotra amin’ny hevitra momba ny fahafahana ny demokrasia. Ny famaritana tsotra indrindra dia hoe: governemantan’ny vahoaka, ny fiandrianam-pirenena dia apetraka […]
Depiote Rajerison Antoine : “Mila tetibola ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro”
“Ny fanjakana mampiasa ny volam-bahoaka amin’izao tokony hametraka hoe: mety hisy fotoana tsy ilatsahan’ny orana ao anatin’ny herintaona, mety misy ny fotoana latsaka ihany ny orana fa efa tratra aoriana be toy izao”, hoy ny depiote Rajerison Antoine “Ny fanjakana mampiasa ny volam-bahoaka amin’izao tokony hametraka hoe: mety hisy fotoana […]
FANTINA sy FINTINA
Nivoaka ny fonja, afakomaly, i Manandafy Mahery Lanto, araka ny nambaran’ny vadiny, Rakoto Samuel Doris, tao amin’ny tambajotran-tserasera. Voalaza fa efa nanaraka fitsaboana teny amin’ny HJRA amam-bolana izy noho ny tsy fahasalamany. Tsiahivina fa voasazy roa taona am-ponja i “Malama” rehefa nanala baraka teratany vahiny iray. Nametrahana samboady ireo ben’ny […]




