Politika

Banky iraisam-pirenena – MFFT : Manohana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe

Mamita iraka eto amintsika ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe, tarihin’i Catalina Marulanda. Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, izy ireo, omaly, tetsy Anosy. Hijery ny fampiharana ny tetikasa Produir, fampandrosoana ny tanàn-dehibe ireto delegasionina ireto. Eo koa ny tombana amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny minisitra Andriantsitohaina Naina, tany Ambositra, tamin’ny fametrahana samboady ireo ben’ny Tanàna fa ilaina ny haitarika na kely aza ny hoenti-manana. “Ny fitondrana fanavaozana sy ny fahaizana mitantana no soritra hita voalohany amin’ny fomba fiasa. Ilaina sahy amin’ny fanapahan-kevitra ary tokony ho hentitra sy marina”, hoy izy ny zoma teo. […]

Fahaiza-mitarika ara-politika aty Afrika : Azon’ny filoha Rajoelina Andry ny amboara

Niakatra ny sehatra avo tamin’ity fifaninanana nokarakarain’ny gazety boky « Afri­can Leadership Magazine – ALM » ny filoha Rajoelina Andry. Voafidy ho “Leader politique africain de l’année” na mpitarika politika mendrika aty Afrika ny tenany rehefa nahazo salanisa ambony in­drindra, maherin’ny 65% raha 20% ny azon’ny filohan’i Seychelles ary 13% mahery kosa […]

Fambolena vary safiotra : Miantso fifampidinihana ny Malagasy Miara-Miainga

Miantso fifampidinihana momba ny fanaparitahana ny voly vary safiotra ny MMM. Tsy manohitra ny fanatsarana ny masomboly anefa izy ireo. Mbola nampahatsiahy ny antso efa nataony. “Miantso izahay ny tokony hisian’ny fandinihana lalina momba ny voly vary safiotra na ny “Riz hybride”. Mikasa ny hanaparitaka izany eto Madagasikara ny fitondram-panjakana”, […]