Politika

Praiminisitra Ntsay Christian : « Mijery ny maha olona ny fitondram-panjakana »

“Mijery ny maha olona ny fitondram-panjakana. Anisan’ny zavatra nanakianana an’i Madagasikara eo amin’izany fanajana ny zon’olombelona izany ny fiaimpiainan’ny famonjana eto Madagasikara.”Io ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny fitokanana ny fonjaben’Ikelivondrake, Ihosy, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka tamin’ny taona 2019, ezaka ma­robe no nataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fa­metrahana fitsarana ambaratonga voalohany […]

Ben’ny Tanàna Ampitatafika: “Tena ilaina ny vola fanampiana ho an’ny kaominina”

Tena ilaina ho an’ny kaominina ny vola fanampiana. Anisan’izany, ny lafiny karaman’ny mpiasa. «Mahavita sy tena ilaina ny vola fa­nampiana ho an’ ny kaominina rehetra, izay nangatahin’ireo ben’ny Tanà­na ho 50 000 000 ariary», hoy Ramparaoelina Rado, ben’ny Tanàna voafidy indray tao amin’ny kaominina Ampitata­fika, nandritra ny fametrahana samboady tetsy Bemasoan­dro […]

Fanavaozana lisi-pifidianana : Tsy an’ny Ceni irery ny fanentanana

“Tsy anjaran’ny Ceni irery ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny fisoratana anarana eny anivon’ny fokontany ao anatin’izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana izao”, hoy ny mpanolotsaina eo anivon’ny birao maharitry ny Ceni, Ravalitera Jacques Michaël. Teny Alarobia, omaly, manoloana ny famaranana vonjimaika ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) anio 15 febroary no nanambarany izany. Ma­nana […]

Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona afrikanina : Anisan’ireo mpifidy ny filoha Rajoelina Andry

Hotanterahina, anio, ao Addis Abeba, ny fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA). Miisa telo ireo kandidà hofidina ka anisan’ireo mpifidy amin’izany ny filoha Rajoelina Andry. Miisa telo ireo kandidà hifaninana ho filoha ka anisan’izany ny minisitra teo aloha, Randriaman­drato Richard. Efa nahazo ny fanohanana sy fankatoavan’ny firenena eo […]

FANTINA sy FINTINA

 Nilaza ny hoavy hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny SADC, hatao eto Madagasikara, ny mpanjakan’i Eswatini, Mswati III. Hotanterahina ny aogositra izao ny fivoriana. Nivoitra izany tamin’ny fihaonany tamin’ny filoha Rajoelina Andry, tany Dubai. Niombon-kevitra ny roa tonta ny hanamafisana ny fiaraha-miasa.  “Mpitarika iray, vina iray, kaontinanta iray”. Teny faneva nandresena lahatra […]