Niantso ny miaramila tsy ho voasarika amin’ ny fihantsiana politika fa hifantoka hatrany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny minisitry ny Foloalindahy. Nambarany fa natao hametraka fandriampahalemana izy ireo, tamin’ ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra lefitra tao amin’ny Ensoa Antsirabe, ny 1 febroary teo. Hamoaka ny valin’ny fanombanana […]
Politika
Ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala: «Aoka halavirintsika ny fankahalana…»
Niatrika ny fotoam-pivavahana niaraka tamin’ireo kristianina etsy amin’ny FLM 67 ha ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, ny alahady teo. Nanao antso avo sy nanentana ny rehetra ny tenany, tamin’izany, ho amin’ny fifanomezan-tanana sy ny fifanampian’ny samy mpino. Nambarany fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ ny rehetra ny varavaran’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra […]
Filoha Rajoelina Andry: «Hanampy anareo ben’ny Tanàna aho»
Hanampy ireo ben’ny Tanàna ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana miantefa any amin’ny vahoaka sy ilain’ny vahoaka ao anatin’ny fe-potoam-piasan’izy ireo. “Natao ny fifidianana, ary matoa ianareo lany dia ankasitrahan’ny vahoaka, mamim-bahoaka, voafidim-bahoaka, indrindra miandrandra fampandrosoana avy aminareo ny vahoaka izay iantsorohanareo ny adidy masina eo anivon’ny kaominina misy […]
Governora Lylison René de Roland : “Tokony hifanaraka ny sazy sy ny kolikoly “
“Tokony hifanaraka amin’ny kolikoly natao ny fanasaziana amin’ny kolikoly “, hoy ny fanehoan-kevitry ny governoran’ny Faritra Sofia, ny jeneraly Lylison René de Roland, teny Ivandry, ny faran’ny herinandro teo, momba ny ady amin’ny kolikoly. Nofaritany fa fitaovana entina hanovana zavatra ny kolikoly. Hanovana ny mety lasa tsy mety, hanovana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nilaza ny hanova ny fomba fiasa sy ny fanoherana ny eo anivon’ny Tim, araka ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc teny Avaradrano, ny sabotsy teo. Hiainga eny ifotony izany fanovana izany. Nambarany hatrany fa tsy nifanaraka tamin’ ireo mpitondra ireo ny tenany. Nirava maina indray ny fihaonana nokasain’ ny HPM […]




