“Anisan’ny voambolana ampiasaina ny fitandroana ny fihavanana malagasy. Nefa misy teboka maromaro hoe voararan’ny lalàna ary torina, ohatra, ny fidirana amin’ny fiainan’olona manokana amin’ny fampielezan-kevitra. Izay no mahatonga ny Safidy nilaza hoe: lasa tsy ampy ny fanazavana ny fandaharanasan’ny kandidà”. Io ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Safidy, Razanamahefa Désirée Marie Stella, […]
Politika
Oniversite Antsiranana : nanao velakevitra momba ny PGE ny Praiminisitra
Ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) mifandray amin’ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra avaratra. Izay no lohahevitra nifantohan’ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian ho an’ny mpianatry ny Oniversite, Antsiranana, ny faran’ny herinandro teo. Saika voaresaka sy nifanakalozana tamin’izany avokoa ireo sehatra fampandrosoana ara-toekarana any an-toerana. Eo, ohatra, ny famokarana lavanila, Cacao, […]
Fifidianana ben’ny Tanàna : misongadina ny antoko lehibe
Hifarana anio ny fampielezan-kevitra mahakasika ny fifidianana izay ho ben’ny Tanàna. Nisafidy ny nanao faradoboka, omaly, ny ankamaroany. Misongadina ny antoko lehibe, toy ny Irmar. Namaramparana ny fampielezan-keviny avokoa, omaly, ny kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina manerana an’i Madagasikara. Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra, nisy ny diabe namakivaky tanàna […]
FANTINA sy FINTINA
“Zotram-pifidianana tsara omana, azo antoka, andraisan’ny rehetra anjara, antoky ny fitoniana sy ny filaminana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Dama Arséne, omaly, nandritra ny lahateniny ho an’ny olom-pirenena sy ny mpifidy. Notsindriny tao anatin’izany ihany koa ny fahavononan’ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny andraikitra manandrify azy ao anatin’izao zotram-pifidianana izao. Miisa 68 […]
Ralison Roger: “Manome vahana ny kandidà hafa ny mpanohitra”
“Mampalahelo ny fanaovana politika eto Madagasikara. Satria tokony ho hery hitambatra sy hifanampy ary hifanohana hilaza hoe: rehefa tsy hifidy anay ianareo dia fidio ny namanay hafa mpanohitra”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha mpanorina ny antoko Parti Républicain de Madagascar (PRM), Ralison Roger. Manoloana ny fizotran’ny fampielezan-kevitra, indrindra eto Antananarivo […]




