Politika

Andron’ny manamboninahitra lefitra : Nitaky ny hanajana ny fitsipika ny Praiminisitra

Nomarihana teo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Andrim­pan­jakana ao amin’ny Pri­matiora (BSP) ny 1 febroary ny Andron’ny manamboninahitra lefitra. Niatrika izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian, ka nanafatrafatra azy ireo. Nambaran’ny lehiben’ny go­ver­nemanta tamin’izany ny maha zava-dehibe ny firahalahiana sy ny firaisankina amin’ ny fiatrehana ny adidy sahanin’ny tsirairay. “Takina ao anatin’izany […]

Adin’i Rwanda sy i RDC Congo: Handefa miaramila dokotera i Madagasikara

Mametraka ny tanjany amin’ny resaka diplaomasia ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nilaza ny handefa miaramila mpitsabo any Congo izy hanampy ny ekipa efa an-toerana. Nambaran’ny filoha Ra­joe­lina Andry, tamin’ny fihaonamben’ny troikan’i Sadc ho mpiantsehatra fa tsy mpitazana i Madagasikara. Manoloana ny ady ifanaovan’i Rwanda sy Congo dia hanome fanampiana eo […]

Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly: Laharam-pahamehana ny fanafoanana ny tsimatimanota

Miorina amin’ny tanjona stratejika telo ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) 2025-2030, araka ny nanolorana izany teny Ivandry, omaly. Eo ny fanafoanana ny tsimatimanota, ny fampirisihana ny fomba fiasa mampandray andriakatra ny rehetra, ny fandrindrana ny fiaraha-miasa ary ny fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Eo koa ny fampiroboroboana ny kolon­tsaina […]

Fangatahan-tsodrano amin’ny fitantanana : Noraisin’ny FFKM ny ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala

Noraisin’ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM, omaly, teny Andohalo, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nivoitra tamin’izany ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ka nifampizarana sy samy nanehoana hevitra ny momba ny andraikitra iombonana eo amin’ny fiangonana sy ny CUA. Nanterin’ny ben’ny Ta­nàna, Ramanantsoa Harilala, fa ilaina ny fitokisana an’ Andria­manitra […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao antso avo amin’ny zanak’Ambohiman­ga, ny Jly Ravalomanana Richard. “Andao isika zanak’Ambohimanga Rova tsy hanaiky hatao fitaovana politika intsony…”, hoy izy. Nentaniny ny rehetra hifanome tanana amin’ny ben’ny Tanàna voafidy tao an-toerana mba hisian’ny fampandrosoana. Efa misokatra ao amin’ny tranokalan’ny masoivoho ny fangatahana fihaonana manokana amin’ny ambasadaoro any Etazonia, Rakotomalala […]