Fanamby goavana. Nambaran’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina fa manana andraikitra eo amin’ny fambolena ny eo anivon’ny minisitera tantaniny. Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny “Journée de concertation nationale sur la transformation agricole”, natao teny Ivato, ny herinandro teo, ny eo anivon’ny MFFT. Voaresaka tamin’izany fa […]
Politika
Rasoaniaina Malalatiana : “Mifampiresaka ihany no vahaolana”
“Raha te hitady filaminana isika eto Madagasikara, mifampiresaka ihany no vahaolana. Tsy misy fitiavan-tena tokony hapetraka”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny vehivavy sady mpikamban’ny birao foibe eo anivon’ny antoko MFM, Rasoaniaina Malalatiana, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fisian’ny mpanao politika mpanohitra sasany tsy manaiky ny valim-pifidianana ben’ny Tanàna […]
FANTINA sy FINTINA
Voafidy ny zoma teo ny biraon’ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo. Filoha, maharitra, Andriamparany Guy Ralitera avy amin’ny Irmar. Filoha lefitra kosa ny amin’ny HE Mada, Toavina Ralambomahay. Mpampiaka-teny voalohany Navalona Francky Rakotoaritiana (Mouvement Gasikara) ary mpampakan-teny faharoa ny Tim, Nomenjanahary Nasandratra. Nambaran-dRakotoarisoa Alban na i Gangstabab fa nisy namadika ireo mpanolotsaina […]
Depiote Fomendraza Haingo Elisette : «Tsy azo atao sorona intsony ny vahoaka»
“Matanjaka hatrany ny vondrona politika miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Tsy azo atao sorona intsony ny vahoaka, fa tokony hiara-miasa tanteraka amin’ny fitondram-panjakana mijoro”. Io fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Fianarantsoa, i Fomendraza Haingo Elisette, tany amin’ny renivohitr’i Matsiatra Ambony, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny valim-pifidianana ofisialy tamin’ny fifidianana […]
Antoko MMM : «Ilaina ny fahasahiana sy ny fijoroana…»
Nanatanteraka fifampiarahabana noho ny taona vaovao ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena. «…Tena sahirana ny vahoaka… Ilaina ny fahasahiana mijoro sy manova ho amin’ny tsaratsara kokoa», hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo tamin’ny lahateniny, tetsy Ankerana. Nambarany fa […]




