Politika

Tale jeneralin’ny Fananan-tany : “Miasa hatrany eo anilan’ ny kaominina izahay”

Nidina ifotony nijery ny fanarenana ny fefiloha vaky eny Malaza – Faliarivo ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), omaly. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fanajariana ny tany, Rakotomalala Mian­galy, ary nanafarany ireo ben’ny Tanàna ny momba ny fanajariana ny kaominina iadidian’izy ireo. “…Miasa hatrany ary eo akaikin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nifampizara traikefa sy nifanakalo hevitra teny Tsimbazaza, afakomaly, ny filoha mpisolo toerana eo anivon’ny Antenimierampirenena, Soafilira Princia sy ny filohan’ny Parlemanta Panafrikana teo aloha, Ndoko Dang, niaraka amin’ny eo anivon’ny parlemantera, Aboung Albino. Voaresaka ny fampivondronanana ho aminy fampandrosoana an’i Afrika. Miditra an-tsehatra amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana ny mpitandro filaminana, araka […]

Minisitra teo aloha, Razafimanazato Julien : “Raiso ny andraikitrareo depiote sy loholona…”

Nivoaka amin’ny fanginany manoloana izao toe-draharaham-pirenena izao ny minisitra teo aloha, Razafimana­zato Julien. Nanao antso avo amin’ny rehetra ny tenany tamin’izany. Nitodihany manokana tamin’izany antso izany ireo parlemantera. “Raiso ary ny andraikitrareo. Sahia mijoro miaro ny vahoaka tsy ankanavaka sy miaro ny tanindrazana iombonana, araka ny fahefana nomen’ny Lalàm­pano­renana anareo, […]

Depiote Rakotoniaina Pety : “Tsy vahaolana ny fidinana an-dalambe”

Nitondra ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny depiote Rakotoniaina Pety. Anisan’izany ny nitsikerany ny eo anivon’ny fanoherana. “Tsy afa-kijery fotsiny hoe sahirana isika izao dia mitondra ami­na vahaolana hoe andao hidina an-dalambe, ohatra, na andao alaina ny fitondrana. Tsy vahaolana amin’izay ilaina izao izany sady tsy vahaolana maharitra”. Io ny fanehoan-kevitry […]

Famoahana voka-pifidianana : Nisaorana ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana

Notanterahina teny amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), 67 ha, ny fananganan-tsaina ho an’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nankasitrahana manokana tamin’izany ireo nahavita ezaka. Nankasitrahan’ny sekretera jeneralin’ny mini­siteran’ny Fitsarana, Belalahy Hanitriniaina, ny eo anivon’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana (Taf). “Nahavita ezaka lehibe izy ireo tamin’ny […]