Politika

Sakantsakana tao Toamasina : Nilaza ny tsy hipetra-potsiny Ratsiraka Roland

Naneho ny heviny, taorian’ ireny sakana natao azy tsy afaka naneho hevitra, ny faran’ ny herinandro teo, ny depiote Ratsiraka Roland, omaly, tao Toamasina. Hentitra ny nambarany. “Tsy hanaiky hatramin’ ny farany izahay ary hiady amin’ny hametrahana ny mangarahara sy madio eto amin’ ny firenena”, hoy izy, taorian’ ny nivoahan’ny […]

Fanamby ho an’ny taona 2025 : Nomena baiko hametraka filaminana ireo prefet

Notanterahina teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, afakomaly, ny dinikasa eo amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo lehiben’ny fileovana “Prefet” manerana ny faritra notarihin’ny minisitry ny Atitany. Mazava ny toromarika tamin’izany. Anisan’ny nifanakalozana hevitra ny momba ny fanamby eo amin’ny asa mandritra ity taona 2025 ity. Anisan’izany ny hanatsarana hatrany sy hametrahana […]

Andrianainarivelo Hajo: “Tsy voahaja ny tany tan-dalàna”

Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, An­dria­nainarivelo Hajo. Nam­barany, tamin’izany, fa rava tanteraka ny fototry ny fitsinjaram-pahefana mitondra mankany amin’ny fampandrosoana maharitra, taorian’ny nivoahan’ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. “Tena tsy voahaja ny tany tan-dalàna sy ny safidim-bahoaka anisan’ny nimatimatesan’ny MMM tamin’ny toerana […]

Faritanin’Antsiranana sy Mahajanga: Nofanin’ny minisitera avy hatrany ireo ben’ny Tanàna

Tsy an-kiandriandry. No­fanina avy hatrany ireo ben’ny Tanàna vao voafidy ho an’ny faritanin’Antsiranana sy i Ma­hajanga. Notanterahina, oma­ly sy afakomaly, izany ka miisa 24 ireo avy any amin’ny faritra Sava sy i Diana raha miisa 101 kosa ireo ben’ny Tanàna avy any Boeny sy Betsiboka miaraka amin’i Melaky sy ny […]