Politika

FANTINA sy FINTINA

Nirary soa ny minisitry ny Fitsarana, Rakotoman­dimby Benjamin, noho ny taona vaovao ireo mpianatra mpitsara fahiny, andiany fahasivy, nivoaka tao amin’ny ENMG. Nankasitrahin’izy ireo, tamin’izany, ny andraikitra lehibe sahanin’ny minisitra eo amin’ny fanatsarana ny rafi-pitsarana sy ny fampanjakana ny rariny eto amin’ny firenena. Mitohy hatrany ny fivoriana fanomanana ny fihaonana […]

CUA : Miandrandra hahazo ny birao maharitra ny mpanohitra

“Raha ny tokony ho izy, ny mpanohitra no maro anisa toy ny tamin’ny fitondrana teo aloha. Manantena amin’ity fa hitambatra ny mpanohitra ao anatin’ny filankevitry ny Tanà­na”. Io ny fanazavan’ny mpanolotsaina voafidy tamin’ny anaran’ny Tia tanindrazana eo anivon’ny Kolektifa an’ny Ma­lagasy, Ralambomahay Toavi­na, teny Analakely, omaly, ny amin’ny fitantanana an’Antananarivo […]

Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: Hapetraka ny rafitra hiady amin’ny kolikoly

Efa an-dalana ary miroso amin’ny fametrahana ny rafitra miady amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE). Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa niarahana tamin’ny eo anivon’ny Bianco, hametrahana rafitra miady amin’ny kolikoly eo anivon’ity minisitera ani­san’ny miantoka ny fiandrianam-pirenena ity. Nampi­an­draiketina izany ny foibe fanadihadiana sy mandalina ny paikady […]

Depiote Rabenirina Jean Jacques: “Tsy ampiasaina hanao politika ny miaramila”

“Miaro ny vahoaka sy ny andrimpanjakana ny miaramila. Arovany izay fitondrana eo amin’ny maha fanjakana azy, fa tsy amin’ny sehatra politika. Fa tsy ampiasaina hanao politika ny miaramila”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Betioky Atsimo tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Jean Jacques, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, […]