Tokony hisy fijery hafa ny fanaovana politika eto Madagasikara, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Namearison Robert. ”Mamono tena tsikelikely ny antoko politika”, hoy izy. “Asa, na tsy hain’ny kandidà hoe: inona ny azon’ny kaominina atao? Indraindray toa te hamaha ny olan’ny fiarahamonina ny kandidà, nefa hadinony fa tsy ao anatin’ny […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Vory lanona ny vahoakan’Ambohimirary, omaly, nihaino ny kandidà Harilala Ramanantsoa, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony teny amin’ny boriborintany fahadimy. Tao anatin’izany no niresahan’ity kandidà ity tamin’ny vahoaka sy nampanantenany ny fanovana ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny tanànan’Antananarivo. Hisy ny adihevitra iarahana amin’ny kandidà milatsaka hofidina ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra, eny […]
Fiatrehana fifidianana : 55% amin’ny distrika no efa nahazo fitaovana
“Amin’izao, 55% amin’ny distrika manerana an’i Madagasikara no efa nahazo entam-pifidianana”, hoy ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny lojistika momba ny fifidianana eny anivon’ny Ceni, Ramangalahy Tsiry, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna amin’ny 11 desambra. Aparitaka eny anivon’ny distrika sy ny kaominina ireo […]
Madagasikara- Etazonia : hahazo tombony ny sehatry ny fandraharahana
Sehatra hahazo tombony amin’ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Etazonia ny eo amin’ny lafiny fandraharahana. Tsy ho latsa-danja koa anefa ny fandriampahalemana sy ny maha olona. Tontosa omaly, teny amin’ ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny masoivohon’i Etazonia, Claire Pierangelo. Sehatra maro no noresahina […]
FANTINA sy FINTINA
“Raha tiantsika ny hitohizan’ny fampandrosoana aty amin’ny faritr’i Toamasina, aoka ny vahoaka mba hisafidy olona hita fa mitovy hevitra amin’ny filohan’ny Repoblika”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny faritra avaratra, i Eric Besoa, tany Toamasina, omaly, ny amin’ny fiatrehana fifidianana ben’ny Tanàna. Mba tsy hisy sakantsakana sy olana […]




