Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fifidianana mpanolotsain’ny Tanàna, izay iray lisitra amin’ny kandidà ben’ny Tanàna. “Manana fahefana hampitsahatra na hampiato ny ben’ny Tanàna amin’ny asany ny mpanolotsain’ny Tanàna eo amin’izay zava-mitranga amin’ny fitantanana ny kaominina”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fiatrehana fifidianana kaominaly. […]
Politika
Fifidianana ben’ny Tanàna : mbola vitsy na mitombo isa aza ny vehivavy kandidà
6% amin’ireo kandidà amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ihany no vehivavy. Efa mba nitombo izany raha oharina tamin’ny fifidianana farany teo, saingy mbola vitsy. «Mahatratra 5 389 ny isan’ny kandidà, 327 na 6% ny vehivavy. Midika izany fa mbola vitsy ireo vehivavy kandidà amin’izao fifidianana ben’ny Tanàna izao. Misy fiakarany izany raha […]
Fifidianana ben’ny Tanàna: nanentana ny vahoaka hifidy i Tojo Ravalomanana
Nanatanteraka fihaonana teny amin’ny Magro Behoririka, omaly, ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim). Niatrika izany Ravalomanana Marc, filohan’ny antoko Tim, ny kandidà ho ben’ny Tanànan’Antananarivo, i Tojo Ravalomanana, sy ireo solombavambahoaka voafidy tamin’ ny anaran’izany antoko izany. Teo koa ireo vahoaka mpikambana eo anivon’ny antoko eto Antananarivo Renivohitra. […]
Fampielezan-kevitra mialoha: manara-maso akaiky ireo kandidà ny Ceni
Tafaverina an-tanindrazana, omaly alina, ny filohan’ny Ceni sy ireo delegasionina notarihiny nijery ny fanontana ny biletà tokana sy ireo taratasim-pifidianana tany Afrika Atsimo. Nambarany, tamin’izany, fa mizotra araka ny tokony ho izy ny asa rehetra ary voahaja avokoa ireo tetiandro samihafa amin’ny hiatrehana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny 11 desambra […]
Fampandrosoana eny ifotony: hanatsara ny fitantanana ny kaominina ny IGL
Hifarana rahampitso ny atrikasa tanterahina any Ampefy, ho fanohizana ny asa fanatsarana sy ho fanavaozana ny “Tondron’ny fitantanana ifotony – IGL”. Tafiditra ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina izany. Haroso hankatoavina eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany aorian’izao dinikasa izao. Misahana sy miandraikitra izany ny eo […]




