“Very zo ve izany ilay olona? Misy tsy mazava aminy ny asan’ny Ceni. Mampieritreritra sy mampatahotra ihany ny zava-misy. Tokony hajanona ny fakana “ordonnance” hahazoana mifidy”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha mpiara-mitantana eo anivon’ny antoko MFM, Randrianirina Jean Ignace, manoloana ny fakana didy hitsivolana hahazoana misoratra amin’ny lisi-pifidianana. Efa nofoanana […]
Politika
Fihaonana an-tampon’ny SADC: Hanampy an’i Madagasikara i Afrika Atsimo
Hanampy an’i Madagasikara i Afrika Atsimo amin’ny fikarakarana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, aogositra 2025. Fantatra izany taorian’ny fanoloran’ny ambasadaoro vaovaon’i Afrika Atsimo eto Madagasikara ny taratasy fanendrena azy tamin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny Iavoloha, omaly. Manana traikefa amin’ny fandraisana fotoan-dehibe toy izany ry zareo. Eo amin’ny fifandraisana […]
Rabevahiny Elia : “Hanahirana raha avela hanjaka ny tsy miankina”
Tato ho ato, mahabe adihevitra eo amin’ny tontolo politika ny fihenan-danjan’ny antoko politika. Na ny fahazoan’ny mahaleo tena na tsy miankina vahana miandalana… Manana ny fijeriny ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia: “Hanahirana raha tsy foana fa avela hanjaka ny tsy miankina, fa ny tombontsoa manokana no lasa mibaiko ny […]
Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny AFD : hisitraka fotodrafitrasan’ny Padeve ireo tanàn-dehibe
Miditra amin’ny andiany faharoa ny Fandaharanasa fampandrosoana ho amin’ny fandrindrana ny tanàn-dehibe (Padeve2). Nankatoavina tetsy amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany(MFFT), omaly, izany. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny MFFT, Randriamananjara San drina, fa anisan’ny hisitraka fotodrafitrasa iarahana amin’ ny AFD ny ao Antsiranana, Fianarantsoa, Antsirabe, Toliary, Toamasina ary Mahajanga. “Hisitraka […]
Rakotondravao Sarobidy : Kandidà natolotry ny Irmar
Nampahafantatra ny maha kandidà ho ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambato, distrikan’Ambohidratrimo azy, Rakotondravao Sarobidy. Kandidà natolotry ny Irmar, nahazo ny laharana voalohany anatin’ny biletà tokana. Vinany ny hitondra fampandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra sy hijery manokana ny vahoaka eny ifotony. « Manondro ny hetsika sy politika rehetra ny fanatsarana […]




