Nanao hetsika sosialy tany amin’ny distrikan’i Vangaindrano ny fikambanana Jamais Mort, ny farany herinandro lasa teo. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2023 izany ka nanoloran’izy ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 30, manana tanjaka 800 wh. Natolotra sy notsinjaraina amin’ny fokontany telo, ahitana ny any Nanasana […]
Politika
Depiote Raholdina Naivo: “Tsy misy Tetezamita intsony eo”
«Milaza amin’ny vahoaka izahay fa tsy misy Tetezamita intsony, fa efa ao anatin’ny fanomanana fifidianana isika», hoy ny depiote IRD, Raholdina Naivo, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fanambaran’ireo depiote 15 hoe tsy itokiana hitsara fifidianana ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanatanteraka. Fikambanan’ny […]
Fiatrehana ny fifidianana : mitaky ny hitohizan’ny dinika ny Pnud
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ahitana ny avy amin’ny Pnud, ny Vondrona Eoropeanina (UE), ny Vondrona Afrikanina (UA) ary ny Frankofonia (OIF). Nankasitraka ny dingana vitan’ny Ceni tamin’ny dinika nandraisan’ny rehetra anjara izy ireo, mba hahatongavana amin’ny fifidianana mangarahara. Hahatongavana amin’ny fifidianana anaty fitoniana izany, manoloana ny fisokafan’ny […]
Andrianainarivelo Hajo : “Antoky ny fanajana ny zo ny fitsinjaram-pahefana”
Nitohy tany Antsiranana indray ny famelabelaran-kevitra nataon’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-mianga, Andrianainarivelo Hajo, ny herinandro teo. “Endriky ny fitsinjaram-pahefana no sady antoky ny fanajana ny zo maha olona, imasoan’ny foto-kevitra demokraty hery afovoany ny fahalalahan’ny olom-pirenena mandraharaha sy mandray andraikitra”, hoy izy. Nanteriny fa ilaina koa ny fahaizana mifampiraharaha […]
Filoha teo aloha, Ravalomanana : “Tsy anisan’ireo mitaky fitondrana tetezamita ny Tim”
Notanterahina ny sabotsy teo, teny Ambohimanarina, ny hetsika fifampiarahabana eo anivon’ny Tim eny amin’iny boriborintany iny. Nambaran’ ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc tamin’izany fa tsy azo ekena ny hevitry ny sasany. “Tsy anisan’ireo mitaky na mikononkonona fitondrana tetezamita izany isika. Efa izao ny fahoriana mahazo antsika sy ny firenena ve […]