Mitohy hatrany. Mendrika fanamaivanana ny fidiran’ny mpianatra ny hetsika tanterahin’ny vehivavy Malagasy miara-miainga (VMMM). Anisan’ny nisitraka izany ireo ray aman-dreny sy mpianatra eny anivon’ny kaominina Ambohimanambola sy ny manodidina, omaly. Nambaran’ny tomponandraikitra mpitantana ny fikambanana fa hetsika fanao isan-taona ny fivarotana fitaovam-pianarana amin’ny vidiny mirary tahaka izao. Tanterahina amin’ny alalan’ny […]
Politika
Filoha Rajoelina Andry : nanatrika ny Kongresy Eokaristika Nasionaly
Notanterahina omaly, tao amin’ny Kianja manara-penitra Antsiranana, « Kianjasoa», ny lanonana sy sorona masina lehibe fanokafana ny Kongresy Eokaristika Nasionaly – KEN. Anisany niatrika izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sy ny vadiny. Mpino katolika maro be, niaraka tamin’ireo eveka maro, pretra ary relijiozy no niatrika izany. Hijoroana vavolombelon’ny fitiavana tsy […]
Firotsahan-kofidina ben’ny Tanàna: tsy maintsy manana solontena (mandataire) ny kandidà
Nampahatsiahy ireo fepetra ho amin’ny firotsahan-kofidina ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Maromaro izany, araka ny voalazan’ny lalàna. Anisan’ireo fepetra takin’ny didy aman-dalàna amin’ireo hilatsaka hofidina amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ny tsy maintsy hananany solontena nomem-pahefana na ilay antsoina hoe “Mandataire”. “Tafiditra ao anatin’izany […]
Rajoelina Andry : « Laharam-pahamehana ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka»
Ireo asa misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka no hatao laharam-pahamehana, araka ny nambaran’ny filoha. Hatao mifanaraka amin’izay ihany koa ny fomba fiasa eo anivon’ny minisitera tsirairay mba hahafantarana marina tokoa izany asa ilain’ny vahoaka izany. Nandritra ny fanolorana ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, nambaran’ ny filoham-pirenena, […]
FANTINA sy FINTINA
“Ampanaovina iraka tsy ho vitany akory ireo mpikamban’ny governemanta ireo”, hoy ny depiote, filohan’ny mpanohitra, Randrianasoloniaiko Siteny. Nohitsiny fa tsy manam-bola ampiasaina izao fanjakana izao. “Mitovy amin’ny olona omena fiara miala any Toliary ho aty Antananarivo nefa solika tapany no omena ireo minisitra”, hoy ihany izy. Tsy misy dikany akory […]




