Politika

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny kandidà ho ben’ny Tanàna, Antananarivo, Rinah Rakotomanga, fa vonona sy miasa ny ekipany ka tsy misy atahorana ireo mpifaninana aminy. “Efa ela isika no naniry hilatsaka ben’ny Tanànan’Antananarivo saingy izao vao tanteraka”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy miaraka amin’ny fitondrana amin’izao intsony ny tenany nefa tsy mpanohitra ihany koa. […]

Fanahimanana Tiaray: “Marin-toerana matoa voafidy hitarika ny Sadc”

“Matoa ny sekretera mpanatanteraky ny Sadc nanao tolo-kevitra hoe i Mada­gasikara no hitarika ny Sadc, hita hoe firenena efa manana fahamarinan-toerana politika izany i Madagasikara”, hoy ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, ny amin’ny handraisan’i Madagasi­kara ny fitarihana ny Sadc sy fihaonana an-tampony amin’izany amin’ny 2025. Raha firenena mikorontana, […]

Birao politikan’ny MMM, Ramaroson Laurent: “Sarotra ny hanantena an’io governemanta io”

Maromaro ireo mpanao politika naneho hevitra, taorian’ny fitsanganan’ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Anisan’izany ny eo anivon’ny birao politikan’ny MMM, Ramaroson Laurent. Nambarany fa afaka telo volana na hatramin’ny faran’ny taona any vao tena hihodina tanteraka sy ho afaka hampandeha ny raharahany avokoa ireo minisitera ireo. Mbola olana hafa koa ny […]

Minisiteran’ny Atitany : hanatratra ireo vina ny minisitra Rahajavololoniaina

Nandray ny fitantanana ny minisiteran’ny Atitany ny minisitra vaovao, Rahajavololoniaina Nirintsoa. Nametraka fanamby amin’izao andraikitra horaisiny izao ny tenany. Notanterahina, omaly, tetsy Anosy, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Atitany mpisolo toerana, Andriantsitohaina Naina, sy ny minisitra vaovao hisahana ny Atitany, Rahaja­vololoniaina Niritsoa. Nam­baran’ny minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana […]

Minisitry ny Fitsarana : “Hiady amin’ny kolikoly aho “

“Mandray andraikitra ny tsirairay avy, ary manomboka amin’ny tenako no hanome maodely anareo. Azonareo tsikeraina sy tsikafonina ny lasako na ny vadiko. Sahiko ny manambara an’izany ampahibemaso. Madio izahay niditra tato amin’ny fitsarana; rehefa mivoaka ato izahay: miezaka ho madio mandrakariva”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana vaovao, Rakotomandimby Benjamin […]