Nitsidika an’i Mahajanga, ny faran’ny herinandro teo, ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Niritsoa, nihaona tamin’ireo manampahefana sy olom-boafidy izy. Nisy koa ny fihaonany tamin’ireo rantsamangaikan’ny minisiteran’ny Atitany: lehiben’ny distrika, lehiben’ny boriborintany… Nisy toromarika nomena ho amin’ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny fitantanana lafin-tany, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana. Nilaza ny filohan’ny antoko […]
Politika
Depiote Rajerison Antoine: “Aleo handeha fa aza ahemotra ny fifidianana”
“Mbola miteny izahay ary mangataka hoe alefaso ny fifidianana filoham-pokontany, ary aleo handeha ny fifidianana ben’ny Tanàna fa aza ahemotra. Tsy tokony hahemotra intsony io, fa tokony hapetraka sy halamina izay rehetra misy olana”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny tsy miankina Fivoi, Randriamampianina Rajerison Antoine, […]
Fitsarana : hamoraina ny fahazoan’ny kandidà izay taratasy ilainy
Kandidà 9 manerana ny kaominina 1697 no efa nametraka taratasy filatsahan-kofidina hatreto, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Ceni. Anisan’ny miteraka resabe ny fahasarotan’ny fikarakarana sy ny fakana ny antotan-taratasy ilaina amin’izany eny anivon’ireo biraom-panjakana manome izany. Tena navahina ho an’ireo mpirotsa-kofidina: napetraka sy milaza manokana izy ireo hoe mangataka […]
FANTINA sy FINTINA
Sarotra be ny mamondrona olona noho ny fanaovana politika tsy misy ideolojia, raha ny fijerin’ny mpikamban’ny birao politikan’ny antoko Humaniste-écologiste, Ralambomahay Toavina. Vokany, mety ho marobe ny kaominina tsy misy kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina na ho kandidà tokana. Tsy mino ny antoko politika ny Malagasy matoa miparitaka be […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny : «Mihamarin-toerana i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena»
“Mihamarin-toerana i Madagasikara na eto amin’ny faritr’i Afrika na any amin’ny sehatra maro samihafa”, hoy ny tatitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fifandraisan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Betsaka ireo fivoriana iraisam-pirenena efa noraisina. Vao herinandro vitsivitsy izay, nandray ny Cop 11. Handray ny […]




