Politika

Fanamafisana orina ny antoko: manoka-baravarana ho an’ny rehetra ny HVM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny HVM any Fran­tsa, omaly. Niantso ny rehetra te hanamafy ny antoko izy ireo tamin’izany. “Ndao hiaraka aminay. Midira ho mpikambana raha manahy ny amin’ny hoavinao, ny hoavin’i Madagasikara, indrindra fa ny hoavin’ny taranaka ianao”, hoy izy ireo. Notsiahivin’ny fanambarana fa very hevitra manoloana ireo toe-javatra […]

Rajaonson Hugues : “Tsy afa-miala amin’ny fitakian’ ny Unicef ny fanjakana”

Nanaitra ny maro ny fitakian’ny Unicef ny hamerenana ny vola fanampiana izay nanaovana fandaniana tsy nifanarahana. Tsy afa-miala amin’izany ny fanjakana, raha ny fijerin’ny mpahaihary Rajaonson Hugues. “Tsy afa-miala ny fan­jakana amin’ izao, na hoe ny mpitondra teo aloha aza no nampiasa azy. Satria rehefa manao famindram-pahefana dia tsy maintsy […]

Fitantanana ny faritra: mihozongozona ny sezan’ireo governora sasany

Ho avy indray ny tombana, hampihozongozona ny seza’ny sasany. Anisan’ireo horaisin’ny filoha Rajoelina Andry amin’izao fiandohan’ny taona vaovao izao ireo governoran’ny faritra. Maromaro amin’izy ireo no mety hisaorana aorian’ny fi­haonana sy ny tombana atao amin’ny asan’izy ireo. Anisan’ ny efa nahazo tsikera mivaivay sy nokianin’ireo depiote amin’ny distrika roa any […]

Fankatoavana lalàna: miankina amin’ny HCC ny momba ilay volamena atsy Maorisy

Hiverina hiasa, manomboka amin’ny herinandro ambony io ny eo anivon’ny HCC. Ma­romaro ireo asa sy vary mangatsiaka tsy mbola nankatoavin’izy ireo amin’ny lalàna nolanian’ireo parlemanta. Anisan’ny andrasana amin’ireo mpitsara etsy Ambohidahy ny fankatoavana na tsia ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fitsarana ho an’ny fanjakana maorisianina sy i Madagasi­kara. Miankina […]