Politika

Andriamiarisoa Daniel: “Ny olan’ny vahoaka no mila fikaonandoha”

“Sao fotoana izao hanaovana fikaonandoha hijerena ny sosialim-bahoaka sy ny maharary ny vahoaka? Ma­nampa­haizana avokoa ny an­kama­roan’ireo mpanao politika. To­kony hisokatra ny rehetra fa tsy hiolonolona amin’izao fotsiny”, hoy ny filohan’ny antoko Madagasikara ho an’ny Ma­lagasy(MHM), Andriamiarisoa Daniel, ma­noloana ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. Raha tena tia tanindrazana ma­rina ny mpanao politika, […]

Ramamimampionona Gérard : “Afa-miara-monina ny maha malagasy sy ny maha kristianina”

Nahabe resaka sy adihevitra ny nisian’ny kristianina nanao fandroahana devoly sy nanao hira fiderana teny amin’ny doany amin’ny Rovan’Ambohimanga. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Afa-miara-monina ve ny maha malagasy sy ny maha kristianina? Raisiko amin’ny tenako: Malagasy aho sady kristianina.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny […]

Jly Rakotonirina Richard : «Mijoro ho tandroka aron’ny vozona hatrany ny Tafika Malagasy»

“Anjara andraikitra goavana andrasan’ny firenena amin’ny Foloalindahy amin’ ny fitandroana ny filaminana sy fanajana ny lalàm-panorenana amin’ny maha taona miavaka ity taona 2023 ity , noho izy taom-pifidianana”: hoy ny minisitry ny Fiaro­vam-pirenena (MDN), omaly, teny Ampahibe, nandritra ny fiarahabana tratry ny taona vaovao 2023. Nohamafisiny fa manana andraikitra lehibe […]

Fitsarana mitety vohitra : mangataka fampitaovana sy vola ny SMM

Miroso hatrany ny fitsarana mitety vohitra. Misedra olana eo am-panatanterahana izany anefa ireo mpitsara, amin’izao fotoana izao. Tsy afaka ny hangina. “Aleo mba jerena akaiky ilay izy, satria misy ny mpitsara sahirana ihany amin’ny fandehanana amin’ ireny toerana mitoka-monina ireny. Efa niteny hatrany izahay hoe tsy sakana”, hoy ny fanehoan-kevitry […]

Razanamahasoa Christine : miantso fitoniana eto amin’ny firenena

Nirary soa sy fahombiazana ombam-pahasalamana ho an’ny vahoaka Malagasy ny filohan’ny Antenimierampi­re­nena, Razanamahasoa Chris­tine. Nosinganiny manokana koa ireo solombavambahoaka namany rehetra sy ireo mpiara-miasa rehetra eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. “Mba ho taona zina anjakan’ny filaminana, fitoniana, fifankatiavana anie ity taona vaovao ity ary ho eo ambany fitahian’ Andri­a­ma­nitra izany”, hoy […]