Politika

Rakotoarisoa Florent : “Tsy maintsy hisy ny fifidianana ny 16 novambra”

“Hatramin’izao aloha, raha ny ara-panjakana: amin’ny alakamisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika”, hoy ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohidahy, omaly. Malalaka ny fanehoan-kevitra, araka ny And. 10 amin’ny Lalàmpano­renana. Malalaka ny fanehoan-kevitra na avy amin’ny antoko politika, na avy amin’ny olon-tsotra…Misy, ohatra, […]

Adh hevitra – Fifidianana: niaro ny fandaharan’asany ireo kandidà

Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny CCI Ivato ny adihevitra nifanaovan’ny kandidà ho filoham-pirenena telo mirahalahy. Nentina nanohanana ny fandaharan’asan’izy ireo izany. Nafana ny adihevitra nifanaovan’ny kandidà isany, i Andry Rajoelina sy Raderanirina Sendrison ary Randrianasoloniaiko Siteny teny amin’ny CCI Ivato, halina. Niaro hatramin’ny farany ny vinany sy ny fomba fijeriny […]

ANTOKO TGV: nesorina i Razanamahasoa Christine

Nilatsaka ny fanapahan’ny birao nasionalin’ny TGV, ny faran’ny herinandro teo. “Ala­na tsy ho mpikambana amin’ny antoko intsony Razana­ma­hasoa Christine ary tsy afaka miteny amin’ny anaran’ny TGV koa”, hoy ny fanambarana. Anton’izany ny fanambarana narahina fanapahan-kevitra sy fihetsika tsy nifampierany tamin’ny antoko. Tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitra ijoro­an’ny TGV izany, araka ny […]

Kandidà Andry Rajoelina: Tian’ny mponin’Antananarivo

Mihamafy ny fitiavan’ny vahoakan’Antananarivo ny kandidà Andry Rajoelina. Hipoka ny kianjan’Antsonjombe, omaly. Tazana teny an-toerana ny mpanara-maso avy amin’ny Sadc. Tontosa omaly, teny amin’ny Coliseum An­tson­jombe, ny faradoboky ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina ho an’Anta­nanarivo. Nifanitsa-kitro ny vahoaka nanotrona azy. Ni­ampy ireo olom-boafidy maro sy ny mpiara-miasa […]