“Ilaina ny fifanakalozan-kevitra. Tsy hoe hiandry krizy vao hifampiantso sy hifampiresaka isika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, manoloana ny fivoahan’ny fironan’ny voka-pifidianana vonjimaika amin’izao. Betsaka, ohatra, ny tsy ara-dalàna hitan’ny kandidà lah. 13, izay efa avoakany tsikelikely. Midika izany fa tsy maintsy hanohitra ny voka-pifidianana […]
Politika
Hiffim: “Ho hita ny hatao aorian’ny valim-pifidianana”
Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), tarihin’Andriamiseza Alain. Nambarany fa miandry aloha izy ireo izao. “Nanome fotoana ny tenako hoe amin’ny volana janoary 2024 isika mihaona. Misy antony ao matoa aho miteny an’izany. Heveriko fa amin’izay […]
Pr Rasamoelina Henri: « Tokony hahay andray lesona ny Malagasy… »
Efa hatramin’izay no niteraka olana sy loza mitatao ho an’ny firenena ny fifidianana, indrindra ny an’ny filoham-pirenena, noho ny lesoka amin’ny fanatanterahana azy, araka ny nambaran’ny Pr Rasamoelina Henri, mpampianatra mpikaroka sy mpahay tantara. «Ny janoary 1972 no nanomboka nanarahako akaiky ny raharaham-pirenena, indrindra ny fifidianana. Maro ny lesona tsara […]
Fironana avy amin’ny Ceni: efa mihoatra ny antsasa-manila ny voka-pifidianana
Ho tratra ihany ny fe-potoana. Efa mihoatra ny antsasa-manila ny voka-pifidianana navoakan’ny eo anivon’ny Ceni, hatramin’ny omaly hariva. Tafakatra 68% mahery ireo biraom-pifidianana naharaisan’izy ireo vokatra tamin’izany ka anisan’ny misongadina fa efa vitsy sisa ireo birao fandatsaham-bato (BV) tsy nahazoana vokatra ho an’ny faritanin’ Antananarivo. Mihoatra ny 44% kosa ny […]
Komity foibe any Fianarantsoa: hanapa-kevitra amin’ny raharaham-pirenena ny FFKM
Hotanterahina amin’ny herinandro, any Fianarantsoa, ny fivorian’ny Komity foibe eo anivon’ny FFKM. Anisan’ny andrasana amin’izany ny ho fanapahan-kevitr’izy ireo manoloana ny fiainam-pirenena. Hanomboka ny alarobia 29 novambra ny fivoriambe. Tsy azo ihodivirana ny momba ny hanohizan’ny FFKM ny fandaminana sy ny fanelanelanana ny toe-draharaham-pirenena. “Hodinihina ny ho tohin’ny ezaka efa […]




