Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga amin’ny fankasitrahana ny finiavan’ny governemanta Amerikanina, hanampy antsika amin’ny fikararakarana fifidianana madio, malalaka ary mangaraharaha. “Mankasitraka manokana an’i Etazonia noho ireo fanampiana manan-danja, mampiseho fahavononan’ny fanjakana Amerikanina hanamafy orina ny demokrasia eto amintsika. Hikarakara fifidianana hary fomba ary hikatsaka ho avy politika, […]
Politika
Ramamimampionona Gérard: “Ny politika manakorontana no mila ajanona”
“ Ao anatin’ny hoe fitoniana politika: tsara hojerena ny politika manakotaba, ny politika mitabataba, ny politika manakorontana. Eo koa ny politika fifampihantsiana sy fifanaratsiana. Ireny no tokony hajanona.” Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, ny amin’ny hoe fiatoana politika amin’ny fetin’ny Krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao. […]
Krismasy: miandrandra sy mila fitoniana ny vahoaka
Krismasy… krizy mafy? Saika efa mila hahazatra sy mandeha hoazy izay fitenenana izay. Efa mba misy ny fiovana? Isan-taona, saika tsy mahafa-bela ny fahasahiranana. Tsy maintsy atrehina ny fety, araka izay tandrify sy zakan’ny isan-tokantrano sy ny tsirairay. Eny, na ny isan-tsehatra aza: sampandraharaha sy orinasa, ambaratongam-pitondrana, fikambanana… Misy amin’izany […]
Lokanga sy valiha: Krismasy ho an’ny rehetra
Tonga indray ity ny Noely na Krismasy… Firy taona mitsingerina izay? Fety kristianina, andro fahatsiarovana ny nahaterahan’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy an’izao tontolo izao ho an’izay mino, te hovonjena… Foto-pinoana izay. Tonga olombelona ny zanak’Andriamanitra mba hahatonga ho zanak’Andriamanitra ny olombelona. Hatraiza no hahazoana miaina sy mivelona amin’izany? Eo […]
Randrianasoloniaiko Siteny: hidina ifotony vao hanapa-kevitra
“Hidina any ifotony haka hevitra aloha izahay. Hambarako aorian’izany ny fanapahan-kevitra amin’ny haha kandidà ho filoham-pirenena ny tenako“, hoy ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, afakomaly, tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Nambarany fa ilaina aloha ny mahalala ny olana eny ifotony. Tsy mitovy ny iatrehan’ny vahoaka izany sady fanajana azy ireo ny […]