Politika

UJ- CEMAC: “Tontosa araka ny fenitra ny fifidianana”

Nanatanteraka fanambarana voalohany, vokatry ny fanaraha-maso nataony, nandritra ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena malagasy, ny mpanara-maso fifidianana, avy amin’ny “Union-Jeunesse de la comunauté economique et monétaire de l’Afrique Cen­trale” na UJ-CEMAC, omaly, teny amin’ny Tometal Maha­masina. “Nizotra araka ny fenitra iraisam-pirenena sy araka ny napetraky ny fanjakana malagasy ny […]

Voka-pifidianana vonjimaika : nahazo vato 69% ny kandidà Rajoelina

Mirona miandalana any amin’ny fandresen’ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, ny voka-pifidianana filoham-pirenena vonjimaika ary tsy ho tonga amin’ny fihodinana faharoa. Miisa 3 207 ireo Birao fandatsaham-bato (BV), nahazoana vokatra amin’ireo BV miisa 27 337, omaly alina tamin’ny 9 ora. Miisa 16 556 99 ireo mpifidy voasoratra anarana amin’izany ka […]

Jeneraly Ravalomanana Richard : “Tsy ekena intsony ny fanakorontanana fiainam-bahoaka”

Dingana hafa izao… Nambaran’ny filoham-panjakana mpisolo toerana, ny Jly Ravalomanana Richard fa handray andraikitra ny fanjakana manoloana ny mety hisian’ny fanakorontanana. “Tsy azo ekena intsony ny fanakorontanana fiainam-bahoaka. Aleo hiaina ny fiainana andavanandro ny vahoaka”, hoy ny filoham-panjakana mpisolo toerana, Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny mpanao gazety teny Ambohitsorohitra, omaly, ny […]

Vondron’ny kandidà : “Takinay ny fifidianana madio”

Namoaka fanambarana taorian’ny fahavitan’ny fifidianana ny Vondron’ny kandidà 10. Nohamafisin’izy ireo fa natao amboletra izany ary tsy madio. “Tsy tomombana fa tsy nandraisan’ny rehetra anjara araka ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy ambany indrindra teo amin’ny tantaran’ny fifidianana… Takinay ny hirosoana amin’ny fifidianana madio mitondra fifandimbiasam-pitondrana sy fahamarinan-toerana, antoky ny fiainana tsaratsara kokoa […]