“Fantatro fa tena mifanara-bintana tokoa izaho sy ny faritra Sava. Henoko ny fitarainanareo momba ny fihariana lavanila”, hoy izy. Nanteriny fa tena potika tanteraka izany amin’izao fotoana izao. Nametraka fanamby ny hamelomana indray io sehatra io ny tenany tamin’izao fihaonana izao. “Voaraiko ny lakilen’ny lavanila nomenareo ahy…. Ho avy ny […]
Politika
Rakotovazaha Olivier : “Ho hita eo ny ataon’ny fitsarana momba ny zom-pirenena”
“Fotoana izao hanamarinan’ny fitsarana ambaratonga voalohany izay hanaovana fangatahana ny taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena malagasy amin’ny firotsahan-kofidina ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny MFM, Rakotovazaha Olivier, manoloana ny fitakian’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny taratasy fanamarinana ny amin’izany. Amin’izany no hahitana izay nangataka fizakana […]
Fampiroboroboana ny indostria: mitovy vina amin’i Kagame ny filoha Rajoelina
Nitohy tamin’ny fitsidihana toerana samihafa ny dian’ireo delegasiona tarihin’ny filoha Rajoelina atsy Rwanda, omaly. Tsy mifanalavitra ny fomba fijerin’ny roa tonta eo amin’ny fampandrosoana. Anisan’ny nojerena tamin’izany ny faritra manokana ho an’ny toekarena “Zone économique spéciale” ao Kigali, Renivohitra. Mifanandrify amin’ny veliranon’ny filoha ho amin’ny fampiroboroboana ny indostria ho an’ny […]
Fitsinjovana ny mponin’Antananarivo : nohamorain’ny CUA ny fampidirana jiro sy rano
Anisan’ny tapaka nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo farany teo fa hamoraina ny fangatahana fampidirana jiro sy rano eto an-drenivohitra manomboka izao. “Azon’ny tompon’ny trano atao ary manana porofo amin’ny fandoavan-ketran-trano ny manao ny fangatahana fampidirana jiro sy rano mialoha ny hanatanterahan’ny avy eo anivon’ny Jirama ny asa”, hoy ny […]
Fifidianana filoham-pirenena : maka bahana ho kandidà Razafinjoelina Tahina
Miomana tanteraka. Nasongadin-dRazafinjoelina Tahina tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny fahitalavitra maromaro, omaly, ny momba ny fifidianana. “Manam-pikasana ho kandidà filoha aho. Tsy maintsy ny antoko Tia tanindrazana no manapaka… Tsy mety ny mitazam-potsiny ny fahorian’ny Malagasy sy ny firenena ary tonga ny fotoana handraisana andraikitra”, hoy izy. Na izany aza, niaiky […]




