Politika

Fanavaozana lisi-pifidianana : azo hahemotra ny fe-potoana fanisana mpifidy

“Vinavina no nanaovana ny daty 31 desambra, fe-potoana fanisana mpifidy. Hatao raha hita hoe tokony hahemotra kely io daty io, fa tsy misy lalàna hoe tsy maintsy 31 desambra no hamaranana ny fanisana mpifidy.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, taorian’ny fihaonany tamin’ny mpandrindra maharitry ny Firenena […]

Olan’ny Antenimierandoholona : nanolo-kevitra ny minisitry ny Fitantanam-bola

“Rehefa nisy ny fangatahana vola fanampiana, matetika ny hanaovana fandaminana anatiny no soso-kevitra arosonay. Ny vola efa ao anatiny ihany no halamina amin’ ny tsy fahampian’ny vola eo an-tanana : kaonty atsy, afindra aroa”, hoy ny minisitry ny Toakerana sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ireo mpiasa eo […]

Andrianainarivelo Hajo : “Fomba fisainana ny fitsinjaram-pahefana…”

“Zava-dehibe ny fametrahana politika sahy sy mazava ary hentitra ho an’ny fampandrosoana ary hitondrana fanavaozana ho an’ny firenena”, hoy ny filoha nasionalin’ ny MMM, Andrianainarivelo Hajo, omaly teny Ankatso. Namelabelatra tamin’ireo mpi­anatra sosiolojia, taona fahatelo ny lohahevitra «Ny olana eo amin’ny rafitra politika sy ny fampandrosoana eto Mada­gasikara”, ny tenany […]

Olana samihafa eto amin’ny firenena : maro ireo depiote tsy faly amin’ny governemanta

Hiaka-dapa eny Tsimbazaza ireo mpikamban’ny governemanta, ny alakamisy sy zoma izao. Hifanatrika amin’ireo depiote izy ireo amin’izany, araka ny fandaharam-potoana amin’ny lahadinika. Hangotraka ny fihaonana eo amin’ny roa tonta.. Efa nandrangaranga ny hanangona sonian’ireo solombavambahoaka ny depiote Raholdina Naivo, ny herinandro teo manoloana ny fomba fiasan’ny minisitry ny Fitsarana sy […]

Governora faritra Analamanga : “Tsinon­tsi­nona izahay rehefa tsy eo ny filoha”

“Tsinontsinona izahay sy ny minisitra na tomponandraikitra, rehefa tsy eo ny fi­lohan’ny Repoblika. Inona izany no tokony hataontsika? Manampy ny filoha isika”, hoy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaro­maka Hery, teny Talata Vo­lonondry, ny farany herinandro teo, tamin’ny fametrahana ny vato fototra ny fanamboarana ny lalambe migodana. Fanatanterahana ny veliranon’ny filoha […]