“Be loatra ny fihatsarambelatsihy eto amintsika. Manimba ny fiarahamonina Malagasy sy ny fanaovana politika izany”, hoy ny filohan’ny CFM teo aloha, i Maka Alphonse. Aoka hifampiresaka ny samy Malagasy. Tsy midika ao anatin’ny fikaonandoham-pirenena, izany fa endrika iray amin’ny fifampiresahana ihany. Mifankahalala rehefa mifampiresaka sy mifampidinika. Mampisy fitoniana izany. Mety […]
Politika
Fampandrosoana : ilaina ny fametrahana rafitra fakan-kevitra
“Ny lalàna rehetra sy ny politikam-pitondrana rehetra izay handraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena dia tokony hanontaniana ny heviny ary tena manoratra hevitra izy. Izay no andraikiny. Avy eo, anjaran’ny mpanapa-kevitra ny mandray izany na tsia”, hoy ny tale mpandrindra ny teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, tamin’ny famaranana […]
Ceni: natsinkafon’i “Del Kely” ny volan’ny fifidianana
Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Fidel Razarapiera “Del Kely” tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja – MM” , ny herinandro teo momba ny volavolan’ny tetibola 2023. Anisan’ny nohitritrikihiny ny hoenti-manana amin’ny fifidianana. Natsidiny ny efa fahafantarana fa taom-pifidianana ny 2023. “Zara fa miresaka momba ny fifidianana anefa ny tetibola ary tsy mipetraka […]
MMM Analamanga: “Tsy hanohana ny fitondrana intsony izahay”
Natao ny faran’ny herinandro teo, teny Ankadindratombo ny kongresim-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, Analamanga. Nivoitra tamin’ny fehin-kevitra tamin’izany ny momba ny fifidianana sy ny fanamafisana ny nanapahana ny tadim-poitra niarahana amin’izao fitondrana izao. Hentitra ny fanamasisan’ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo. ” Tsy manana eritreritra ny hiara-kiasa sy hanohana ny fitondrana […]
Fiainana antoko: hanamarika ny faha-20 taonany ny Tim Morondava
Hotanterahina anio ao Morondava ny hetsika fanamarihana isam-paritra ny faha-20 taonan’ny antoko Tim. Anisan’ny hiatrika sy hitarika izany any an-toerana ny mpanorina ny antoko, Ravalomanana Marc sy ny sekretera jeneraly, Randriamasinoro Riana. Nialoha izany, nitafa mivantana amin’ireo vahoaka sendra azy teny an-dalana (RN34) nanomboka teny Miandrivazo sy ny manodidina ny […]





