Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha hala-jaza tao amina klinika iray ao Tanambao Toliara. Ankehitriny, miisa efatra ireo voasambotra sy hanaovan’ny polisim-pirenena famotorana. Isan’izany ilay vehivavy mpampivelona iray, renim-pianakaviana mpandraharaha iray sy ireo mpiasa roa tao amin’ilay klinika. Vesatra hanenjehana ilay vehivavy voalaza ho tompon’antoka tamin’izany ny fisandohana andraikitra. […]
Songadina
Fanovana governemanta: mafotaka ny ady varotra
Efa mandeha ny fivorivoriana samihafa ataon’ireo depiote sy ny eny anivon’ny etamazaoro politika. Miely ny feo fa hametra-pialana tsy ho ela ny governemanta Ntsay Christian. Anatin’ny ady varotra tanteraka ny fizaran-toerana. Tsy azo ihodivirana intsony, efa tsy ho ela! Fantatra tamin’ny loharanom-baovao samihafa fa nahitana fivoriana teny amin’ny “Espace” iray […]
Ankazomanga-Tsaramasay : trano hazo 20 tafo ravan’ny afo
Nitrangana haintrano goavana tetsy amin’ny fokontany Ankazomanga Tsaramasay, omaly tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro teo. Kila hotohoton’ny afo avokoa ireo trano hazo 20 isa teo an-toerana. Vokany, potika sy lasa lavenona avokoa ireo entana maro isan-karazany. Amam-polony maro koa ireo tsy manan-kialofana. Hatreto, tsy mbola voafaritra ny […]
Sinoa mivady voatafika: jiolahy iray voatifitra, telo lahy voasambotra
Sinoa iray maty, naratra ny vadiny teny Talatamaty, ny 26 desambra 2022. Nandeha ny famotorana ka telo lahy voasambotra, omaly. Jiolahy iray maty voatifitry ny zandary. Nifarana hatreo ny asa ratsin’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ ny faritr’i Talatamaty. Maty lavon’ny zandary, afakomaly alina, ny iray tamin’ireo efa-dahy nanafika […]
Raharaha Anja: hiakatra fampanoavana anio ireo mpampiasa azy
Hiatrika ireo mpitsara mpanao famotorana ao Miarinarivo androany ireo olona telo voasaringotra tamin’ity raharaha ity.Isan’izany ireo mpivady nampiasa azy sy ny mpamily nitondra ilay vata-mangatsiaka. Vesatra hanenjehana an’ireto mpivady nampiasa azy ny fampiasana ankizy tsy ampy taona raha toa ka tsy nanana taratasy fahazoan-dalana mitondra razana kosa ny an’ilay mpamily. […]