Songadina

Ambohidratrimo: efa-dahy mpangalatra kisoa voasambotra

Jiolahy efa-dahy voasambotry ny zandary rehefa nanararaotra mpivarotra kisoa tao Ambohidratrimo ny asabotsy lasa teo. Nandresy lahatra ny mpivarotra izy efa-dahy. Nahita ireto farany nitondra fiara, resy lahatra avy hatrany ny tompon’entana. Raikitra, araka izany, ny fifanarahana. Kisoa miisa 7 no alain’izy efatra mpisoloky. Nobataina ireo kisoa ary natao anaty […]

Takaitran’ny rivodoza : nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny filoha Rajoelina Andry

Nidina tany Mananjary nitsidika ireo traboina noho ny rivodoza Freddy ny fitondram-panjakana notarihin’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, omaly. Nitondra fa­nampiana ho an’ireo traboina izy ireo nandritra ity fidinana ifotony ity. Nankasitraka ny fitondram-panjakana, in­drin­dra ny filoham-pirenena ireo olom-boafidy miahy ny tanànan’i Mananjary. “Sitraka enti-matory izao ataonao anay izao ka valinay rehefa […]

Tsy tafiditra tao amin’ny Magro: nosakanan’ny Emmo-Nat ny fetin’ ny antoko Tim

Tompony nangataka atiny ! Tsy raikitra ny fifampiarahabana tratry ny taona saika hataon’ny antoko Tim, tao Behoririka. Nobahanan’ny mpitandro filaminana ny toerana. Tsy tontosa araka ny nandrafetan’ny tompon’andraikitry ny antoko Tiako i Madagasikara na TIM, eto Antananarivo renivohitra ny fifampiarahabana nahatratra ny taona nokasain’izy ireo natao, omaly. Tsy navelan’ny mpitandro filaminana […]

CUA – “The real Madagascar”: manampy ny sehatry ny fizahantany

Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa AIOLOS, omaly, momba ny fametrahana ny «Application the real Ma­dagascar». Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Ta­nàna Analakely ny lanonana. Hanampian’ny kaominina ny sehatry ny fizahantany, ny trano fandraisam-bahiny ary ny trano fisakafoana izy ity. Tanjona ny hanampiana ny mpitsidika hanomana ny […]