Songadina

Papa Benoit XVI : nampiray izao tontolo izao ny fandevenana

Notontosaina, omaly ma­ra­ina, ny sorona masina fanomezam-boninahitra an’Andria­manitra sy ho fialan-tsasatry ny fanahin’ny Papa émérite Benoit XVI. Ni­tarika ny lamesa tao amin’ ny kianjan’i Md Piera ao Vatican, ny Papa François. Nisy ny kardinaly nanampy azy nitarika ny lamesa, noho ny tsy fahasalamana mahazo azy, ka tsy ahafahany mijoro maharitra. […]

Nolazaina fa tsy tamana : razana no naverin’ny mpampiasa an’i Anja

Niala an-tan0na handeha hikarama saingy tsy tamana i Anja. Naverin’ny mpampiasa azy nody tany Miarinarivo saingy efa vatam-paty sy vatana mangatsiaka no notsenain-dreniny. Mbola mitana ny sain’ ny maro ny raharaha momba ilay ankizivavy 15 taona maty afakomaly sy nalefa tamina taksiborosy nihazo an’i Miarinarivo. Ankehitriny, voatazona ao amin’ny zandarimaria […]

Ilaka Centre : fiara latsaka tanaty rano, tsy hita ny mpamily

Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola hita ilay mpamilin’ny fiara tra-doza avy namonjy fahoriana tany Farafangana, afak’omaly iny. Tokony ho tamin’ny 05ora sy sasany maraina teo, nilatsaka tokony ho fito metatra niala ny lalam-pirenena fahafito ilay fiara “Peugeot 205” noentin’ireo mpianakavy. Ni­varina tao anaty rano teo Antanimenakely, Ilaka centre 28km […]

Ratsy ny lalana, tsy ampy ny tahiry : niaka-bidy indray ny vary

Niakatra indray ny vidim-bary eny an-tsena nanomboka, omaly. Haratsian-dalana noho ny orana sy tsy fahampian’ny tahirin’ny tantsaha no nambaran’ny minisiteran’ny Varotra ho anton’izany. Mitaraina amin’ny vi­dim-bary eny an-tsenakely avokoa ireo mponina ho an’ny eto an-dRenivohitra, nanomboka ny tapaky ny volana desambra teo. Araka ny nambaran’ny mpamongady vary iray etsy amin’ny […]

Jean Eric Duluc : « Hiroborobo ny fizahantany eto Madagasikara »

Azo antoka ny firoboro­bon’ny sehatry ny fizahantany ho an’i Madagasikara amin’ity taona 2023 ho avy ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona iraisam-pirenena ny fizahantany (FIT), Jean Eric Duluc, omaly. Tao­rian’ny krizy ara-pahasalamana nandalovan’ny firenena maneran-tany, efa manomboka misokatra ary mivelatra amin’ireo firenena hafa amin’io sehatra io ny eto Ma­dagasikara, hoy […]