Naiditra am-ponja, rehefa avy niaiky heloka ny lehilahy iray avy namono ny vadiny. Notsindrominy antsy ny mason-dramatoa, mbola nokapainy famaky ny lohany. Ny tendrim-po tsy mba namana! Maty nanamparan’ny raim-pianakaviana ny hatezerany ny vadiny, ny talata lasa teo tany Port Bergé. Nolerany antsy ny voamasony, nokapainy famaky ny tarehiny, araka […]
Songadina
Tsenan’Anosizato : nahena ny fandoavana haban-tsena ho an’ireo mpivarotra
Nijery ny zava-misy teny anivon’ny tsenan’Anosizato ny ben’ny Tanànan’Antananarivo sy ny mpiara-miasa aminy, omaly maraina. Noho ny fisian’ny krizy, nohalefahiny ny fandoavana ny haban-tsena mbola tsy voaloan’ireo mpivarotra eny an-toerana. Maro ny fangatahana nataon’ireo mpivarotra nandritra ny fihaonana. Nitaky ny fitaovana hanadiovana sy hanalana ny fako mitoby eny anivon’ny tsena […]
Fanovana fomba fiasan’ny governemanta : notakin’ny filoha vokatra anaty fe-potoana ireo minisitra
Niarahaba ireo minisitra, mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Natsidiny sahady koa anefa ny fomba fiasa vaovao, manomboka izao ka nanafarany ireo minisitra tsirairay avy. Nambarany tamin’izany fa tsy maintsy mametraka tetiandro avy izy ireo ka ho tsapa sy ho hita anatin’ny telovolana sy […]
CUA – Pavillon Analakely: tokony hanaja lamina ny mpivarotra
“Eo ambany fiadidian’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny tsena rehetra misy eto an-toerana”, hoy ny mpanolotsain’ny kaominina, Ravololomanana Lalatiana, omaly. “Tokony hanaraka ny lamina apetraky ny Kaominina ireo nahazo alalana hivarotra rehetra”, hoy hatrany izy. Fantatra fa tsy mitovy hevitra ny mpivarotra vitsivitsy ao amin’ny tsenan’ny Pavillon Analakely amin’izao fotoana izao. […]
Fitsindromana “Heroïne”: naiditra am-ponja ilay Jeneraly polisy
Nalefa eny Antanimora ilay kaomisera divizionera, tratra nitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’ny By Pass. Nanaraka fitsaboana izy mialoha ny fandefasana azy any am-ponja. Taorian’ny fihainoana azy teny amin’ny fitsarana, afakomaly, migadra etsy Antanimora ilay kaomisera divisionera mpidoroka sady mpivarotra “Héroïne” sy Méthamphetamine. “Mbola nanaraka fitsaboana, nanadiovana ny vatany na […]




