Songadina

« Raharaha Allan »: olona 10 nalefa eny Antanimora

Niakatra fampanoavana afakomaly hariva ireo olona 10 voasaringotra tamin’ilay vono olona mahatsiravina tetsy Andavamamba, ny herinandro teo. Taorian’izay, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora avokoa izy 10. Isan’izany ireo mpivady voatondro ho atidoha nikotrika ny raharaha, ny rahalahin’ilay lehilahy sy ireo namany. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa resaka hofan-trano no namonoana […]

Fanovana governemanta: filaharambe ny fanaterana antontan-taratasy

Misahotaka ny mpanao politika. Ilaharana ny fidirana ny birao foiben’ny antoko mpanohana ny filoham-pirenena. Tsy hiova daholo ny mpikambana rehetra amin’ny governemanta. Homen-danja ny antoko sy fikambanana mitovy firehan-kevitra amin’ny fitondrana. Eo am-piandrasana izay anarana hisolo praiministra sy ny mpikambana vaovaon’ny governemanta ny olom-pirenena, indrindra ny mpanao politika. Vantany vao […]

Fanamboarana governemanta : ho amin’ny fiatrehana sosialim-bahoaka sy fifidianana

Nisaoran’ny filohan’ny Repoblika ireo mpikamban’ ny governemanta tamin’ny filankevitry ny minisitra, teny Iavoloha, afakomaly. Nametra- pialana miaraka tany ambadika? Tsy azo ihodivirana ny fanamboarana. Etsy andaniny, miandry na nampiandrasina izany ireo minisitra nametra-pialana mitokana tany am-boalohany, araka ny loharanom-baovao azo. Amin’izay vao hivaly ny disadisa sy ny visavisa tamin’ny fikasan’ny […]

Mitazam-potsiny ny manampahefana: vazaha manao tsindry hazolena vahoaka

Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny manampahefana ao Toliara ny mponina. Milaza ireto farany fa tsy misy ny fandraisana andraikitra, manoloana ny tsindry ataona vazaha iray. Manao antso avo amin’ ny mpitondra fanjakana ny mponina ao Toliara, indrindra ny avy any Mangily amin’ny tsindry hazolena manjo azy ireo. Am­pangain’ny mponina any an-toerana […]

Vono olona mahatsiravina : notapahina ary nentin’ ny jiolahy ny lohan’izy mianaka

Nitrangana vono olona mahatsiravina tao Soaserana kaominina Miary Taheza, distrikan’i Sakaraha. Afako­maly maraina, renim-pianakaviana bevohoka 25 taona sy ny za­nany lahikely dimy taona no hita faty tapa-doha tsy lavitra ny toeram-pitrandrahana sa­fira ao an-toerana. Noentin’ ireo olon-dratsy nanaraka azy any ny lohan’izy mianaka ireto ary tsy mbola hita hatramin’izao. “Tsy […]