Mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana. Mitotaly 286 ireo olona voasambotry ny polisim-pirenena manerana ny Nosy, ny 24 sy 25 desambra teo. Tao ny fanafihana mitam-basy iray sy ny fanafihana mitam-piadina roa. Mitotaly 15 ireo vaky trano niseho saingy voasoroka ny telo tamin’izany. Miisa 32 ireo halatra madinika raha 14 isa […]
Songadina
Lonilonim-pianakaviana: mpivady maty nokapaina antsibe
Maty nofirain’ny havany tamin’ny antsibe ireto mpivady avy any an-tsaha. Miady amin’ny fahafatesana kosa ny zanak’izy ireo vao 16 taona. Olona fito no voasambotra hatry ny omaly. Vokatry ny ady tany, maty novonoin’ny zana-drahalahin-drainy ny mpivady tao Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe, faritra Bongolava ny zoma lasa teo. Nifanditra tamin’ireo havany […]
Fetin’ny Noely: nampihanta ireo ankizin’ny Akamasoa ny filoha mivady
Toy ny efa fanao isan-taona. Niara-nifaly tamin’ireo ankizy tezain’ny mompera Pedro eny amin’ny toby Akamasoa ny filoha Rajoelina Andry, sy ny vady aman-janany, omaly. Niarahaba manokana ny vahoakan’Akamasoa nahatratry ny Krismasy ny filoha tamin’ny lahateniny ary nirary soa ny vahoaka malagasy ihany koa. Nankasitrahany ny ezaka vitan’ny mompera Pedro amin’ny […]
Fetin’ny Krismasy: 40 ny lozam-pifamoivoizana, olona iray maty
Fety tsy ialana loza! Nahatratra 40 ireo trangana lozam-pifamoivoizana nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy teo. Olona iray namoy ny ainy, teny Malaza Ampitatafika… Na efa nanao fanentanana aza ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana amin’ny tokony hitandreman’ny tsirairay mba ho fety ieren-doza, tsy izany ny zava-nitranga fa misy hatrany […]
Petite vitesse: novahan’ny filoha ny olan’ireo mpivarotra
Nifampiresaka ny filoha Rajoelina Andry sy ny Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina manoloana ny fitarainan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse. Nandefa iraka manokana teny an-toerana ny filoham-pirenena, omaly, nihaona tamin’izy ireo. Tsy vitan’izany fa mbola niditra an-telefaonina mivantana tamin’ireo mpivarotra koa izy ary nitafa tamin’ ireo mpivarotra sy namaha ny olana. […]