Nitondra fanazavana sy ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Hiaraka isika, tarihin’ny Jly Camille Vital. Notsiahiviny fa tantara sisa ny naha kandidà azy ka tsy hilatsaka intsony izy na eo aza ny traikefany. Mpanohana ny filoha Rajoelina Andry ny Hiaraka isika ary tsy mpamadika ka hanohana azy izy ireo […]
Songadina
Governoran’ny BFM : hofehezina ny fidangan’ny vidim-piainana
Handray ny asany ny governora vaovao ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo Aivo. Tsapany tokoa fa ilaina ny haha marin-toerana ny Ariary ary mila fehezina ny fidangan’ny vidim- piainana. Mankato ny fanendrena ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ny filankevitry ny minisitra, aorian’ny soso-kevitra aroson’ny filankevi-pitananana. Nandray ny fianianany, omaly, ny […]
Fitsaram-bahoaka: saika hangalatra kisoa, voakapa famaky ny lohany
Naratra mafy vokatry ny hatezeran’ny fokonolona, mpangalatra kisoa iray namoy ny ainy tao amin’ny fokontany Tsimanao, kaominina Ivato-Centre, distrikan’ Ambositra afakomaly tolakandro. Nangalatra kisoa tao amin’io fokontany io, saron’ny tompom-biby ity lehilahy ity. Mbola nandà, arak’izany, ny tenany fa tsy mpangalatra. Tsy vitan’io, niezaka nampitahotra ireo olona nikasa hisambotra azy […]
Filoha Rajoelina Andry: “Ny fotodrafitrasa efa natomboka tsy maintsy faranana”
Nitondra fanazavana, manoloana ny hevi-dison’ny sasany. Notsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry indray tany Marovoay, omaly, ny nambarany tany Ilaka Est, Vatomandry. Nambarany tamin’izany ny hijerena ny sosialim-bahoaka. “Rehefa niteny aho hoe ajanona aloha ny fotodrafitrasa, tsy midika izany fa tsy hanao fotodrafitrasa intsony isika. Ny fotodrafitrasa efa natomboka tsy maintsy faranana”, […]
Boriborintany fahaenina: havaozina ny fotodrafitrasan’ny tsena rehetra
Nidina ifotony teny anivon’ny tsenan’Ambohimanarina ny ben’ny Tanàn’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, omaly. Antony, mba hahafahany mijery sy mihaino ireo fitarainan’ny mponina sy ny mpivarotra eny an-toerana. Nandritry ny fidinana ifotony, nilaza ny ben’ny Tanàn’Antananarivo fa tsy maintsy hohavaozina ny fotodrafitrasa rehetra eo anivon’ny tsena. Nohamafisiny fa asiana jiro manazava “eclairage pubic” […]




