Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana omaly, tao Ankazobe ilay dahalo ikoizana sy nampitondra faisana tao an-toerana. Nifampitadiavan’ny zandarimaria nandritra ny herintaona ity malaso ity ka izao tonga teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana izao. “Voarohirohy amina trangana fakana an-keriny sy halatr’omby i Dadah. Malazabe eto an-toerana izy ka nokarohina hatry ny […]
Songadina
Varotra tanin’ny kaominina: olona 13 mianadahy hiakatra fitsarana
Ben’ny Tanana teo aloha iray sy mpiara-miasa taminy 12 mianadahy tao Toamasina no hiakatra fitsarana miady amin’ny kolikoly, eny 67 ha. Nampangaina ho nivarotra tany sy tranon’ny kaominina miisa 144 izy ireo. Tsy mbola nangina, tsy mbola vita akory ny raharaham-pitsarana mikasika ny fivarotana tsy ara-dalàna ny tany sy tranon’ny […]
Adin’ny mpivady: notondrahana rano mangotraka i Sendra
Notondrahan’ny vadiny rano mangotraka sy nokendaina i Sendra, monina etsy Ambohimiandra, boriborintany II. Potika ny vatany, tsy afaka mampinono ny zanany vao herintaona izy. Mampivarahontsana! May kila ny hodi-tava hatramin’ny faritry ny kibony, io no vokatry ny herisetra nataon’ny vadiny an’i Sendraniaina, ny zoma lasa teo. Renim-pianakaviana iray mipetraka ao […]
Filoha Rajoelina – 7 febroary : “Hanamaivana antsika ny fifamelan-keloka”
Nomarihina, omaly tetsy Antaninarenina ny faha-14 taon’ny 7 febroary 2009. Notsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany ilay vavaka nampianarin’ny Tompo, momba ny fifamelana ka tokony hamelana ny helok’ireo rehetra nanao ratsy. “Andriamanitra hamaly ny ratsy sy ny tsara nataon’izy ireo. Antsoina kosa isika hamela ny helok’izy ireo. Hanamaivana antsika izany ary […]
« Tara jiro » : zanaka filoham-pokontany maty voatifitra
Narahin’ireo dahalo tamin’ny alalan’ny jiro mazava “lampe de poche” teny an-tanany, maty voatifitra ny basy ny zanaky ny sefom-pokontany iray tao anatin’ny distrikan’Ihorombe, ny alin’ny alatsinainy teo. Maty notifirin’ny olon-dratsy ny zanaky ny sefom-pokontany tao Satrokala, distrikan’Ihorombe, afakomaly alina. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, nisy olona nihaodihaody tao an-tokontan’ […]




