Songadina

CUA sy ny mpivarotra : miray feo ho an’Antananarivo madio sy milamina

Notanterahina tetsy amin’ ny Tranompokonolona Anala­kely, ny alarobia teo, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaominina An­tananarivo Renivohitra sy ny fikambanan’ny mpivarotra miisa sivy (Andravoahangy, Ambohimanarina, Anjoma­kely, Ambohijatovo, Andrian­jaka, Tsimialonjafy, Ampa­sampito, Anosibe). Fanehoana fahavononana hanome tanana an’Antananarivo amin’ny fomba fandaminana rehetra sy ny fanatsarana ary ny hanovana ny rafitra sy ny […]

“Maison Blanche” : noraisin’ny filoha amerikanina ny filoha Rajoelina

Anisan’ny niavaka amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy Afrika ny nandraisan’ny filoha Amerika­nina, Joe Biden ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny “Maison Blanche” any Was­hington. Dinika manokana natao, mialoha ny fivoriana iaharana tamin’ny ireo filoham-panjakana avy amin’ny firenena afrikanina efatra hafa, anisan’ny hikarakara fifidianana amin’ny herintaona. Nambaran’ny filoha Ame­rikanina […]

Sri-lankais saika hiondrana : Vato sarobidy tratra tanaty fitombenany

Sahy maty! Voasambotra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny teratany srilankey nikasa hihazo ny Nosy Maorisy. Nahatrarana vato sarobidy maro tao an-kibony. Natsofoka tany amin’ny lava-pitombenany. Voasambotry ny polisy misahana ny fanaraha-maso ny sisin-tany sy ny fivezivezen’ny mpandeha mivoaka sy miditra (PAF Ivato) eny amin’ny seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato, ny talata 13 […]

CUA – Fid – SCTV : sady hanodina fako no hamorona asa

Natao, omaly tetsy amin’ ny lapan’ny Tanàna Analakely ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fid ary ny “Société de Tri Compactage et Valorisation- STCV”. Ani­san’ny orinasa mpanangona sy mpanodina fako. Nam­ba­ran’ny solontenan’ny Fid ta­min’izany fa anisan’ny ny fandaharan’asa fiahiana ara-tsosialy Mikofo, tanterahan’izy ireo ary […]

Lehilahy namono vady : novelesina maritoa, mbola naolana

Voaheloka higadra mandra-pahafatiny, miampy asa an-terivozona ny raim-pianakaviana iray. Novonoiny tamin’ny vely kobay sy maritoa ny vadiny. Mbola naolana koa na dia efa safotra aza. Efa dimy sahady izao ireo voampanga namo­a­hana didim-pitsarana hanefa sazy asa an-terivozona mandra-pahafaty miampy ny tsy fahazoana mivoaka ny faritra misy azy. Misy indray ireo […]