Miisa 27 ny olona namoy ny ainy, lasan’ny rano, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza teto Madagasikara. 21 tsy hita popoka, raha ny tatitra avy amin’ny BNGRC, omaly. Mbola misy hatrany ireo tsy mbola naharenesam-baovao hatreto. Mahatratra 84 874 ny traboina manerana ny nosy. Mitsinjara ao anatin’ny faritra 17 ny 19 664 […]
Songadina
Mpampianatra manana LAPEN: hatramin’ny 10 febroary ny fandraisana antontan-taratasy
An’arivony ireo mpianatra avy amin’ny Ecole Normale Superieure (ENS) efa noraisin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho mpiasam-panjakana, nanomboka ny taona 2019-2021. Ho an’ny fandraisan’izay manana MAPEN sy CAPEN taona 2022, noraisina ireo rehetra izay nametraka antontan-taratasy ara-potoana. Teny anivon’ny foibem- pitondrana misahana ny maha- olona anivon’ny minisitera, no nametrahana izany araka ny […]
Toetry ny andro: hiverina ny oram-baratra
Hiverina ny volon’andro fahavatra ho an’ny telo andro manaraka. Hahazo vahana ny orana, araka ny fanazavan’ny sampana famantarana ny toetry ny andro, omaly. Anio, hisy ny oram-baratra ho an’ny faritra Diana, Sava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany. Hisy rotsak’orana mitsitokotoko koa any amin’ny ilany atsinanan’ Analamanga, Vakinankaratra sy […]
Seces : nanapa-kevitra ny handray ny fampianarana
Afaka misento ny mpianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana. Hiroso amin’ny fampianarana ny mpampianatra taorian’ny filan-kevim-pirenena nataon’ny Seces. Nanao filan-kevi-pirenena tany Toamasina ny mpikambana nasionaly ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) manerana ny Nosy ny herinandro lasa teo. Tapaka fa hiverina amin’ny asa fampianarana sy ny fikarohana ara-tsiansa manomboka ny volana febroary […]
Covid-19: folo ny tranga vaovao
Folo ny tranga vaovao voamarina tamin’ny fitiliana 331 vita tao anatin’ny herinandron’ny 21-27 janoary lasa teo. Vaovao nampitain’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Dimy ny tranga misy fahasarotana, 38 ny olona mbola marary. Tsy nisy ny aina nafoy vokatry ny valanaretina ho an’ny herinandro farany. Efatra amin’ny tranga vaovao […]




