Voatafika ny teratany karana mivady, omaly, tetsy Behoririka. Maty voatifitra rangahy, maratra mafy ramatoa. Nirefodrefotra ny basy, omaly, tetsy Behoririka. Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny mpivady teratany karana monina eny an-toerana. Voatifitra teo amin’ny tratrany ilay lehilahy raha naratra kosa ramatoa vadiny. Omaly atoandro tokony tamin’ny 01 ora teo, tonga tao […]
Songadina
Fehinkevitry ny Hiffim: “Tsy maintsy tanterahina ny fampihavanana”
“Tsy maintsy tanterahina ny fampihavanam-pirenena, ka antsoina manokana handray andraikitra amin’izany ireo raiamandreny ara-panahy sy raiamandreny ara-drazana ary indrindra ny mpitantana ny firenena amin’izao fotoana izao.” Io ny anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), teny Andrefan’ Ambohijanahary, ny herinandro teo, nentin’ny […]
Volamena 73,5kg atsy Afrika Atsimo: migadra 10 taona sy mandoa 52 miliara Ar ireo telo lahy
Nivoaka ny alin’ny zoma teo ny didim-pitsarana momba ilay volamena 73,5kg naondrana an-tsokosoko atsy Afrika Atsimo. Miisa 25 ireo voasaringotra tamin’ity raharaha ity ary niakatra ny fitsarana tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac), 67ha ny 18 amin’izy ireo. Migadra 10 taona an-tranomaizina miampy didy fampisamborana ary mandoa lamandy 52 […]
Anosiala – Ambohidratrimo : nirefotra ny basy, jiolahy roa maty
Nirefodrefotra ny basy. Lavon’ny zandarimaria ireo roalahy nikasa handroba “villa” tetsy Andranomanga Anosiala ny zoma alina teo. Maty voatifitra rehefa tratra teo am-pianihana tambohon’ny “Villa” iray tetsy Andranomanga, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohitratrimo, ny alin’ny zoma teo. Efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina, nitily toeram-pivarotana ireto jiolahy ireto. Nahatsikaritra izany, nampandre avy hatrany […]
Jery taratra…: Mifamahofaho
Nifarana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemanta. Hifarana koa ny disadisa eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna? Taorian’ny fitsipaham-pitokisana nandamoka nokasain’ny Antenimierampirenena hatao tamin’ny governemanta, nofoanana ny fifanatrehan’ny governemanta amin’ny parlemanta. Efa misy ny fitoniana? Na mbola mifamahofaho… Nilaza ny solontenan’ny Vondrona afrikanina fa tsy ahiana ny toe-draharaha eto […]