Songadina

Analakely : mpanendaka voafandriky ny «caméra de surveillance»

Nihevitra ho afa-maina ireo jiolahy roa lahy nanendaka olona teo akaikin’ny banky iray eny Analakely, ny asabo­tsy teo. Lasa nandositra nihazo ny pavillon izy roa lahy rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Efa nilamin-tsaina taori­an’izay raha nandalo tamin’iny faritra Ambodifilao iny, kanjo no­sam­borin’ny polisy tampoka. Ireo caméra de surveillance mi­petraka […]

Grenady nipoaka tao an-trano: tovovavy iray maty, naratra ny anadahiny

Maty ny tovovavy vao 17 taona. Naratra ny anadahiny iray. Nipoahan’ny grenady, izay nisy nanafina tao ambany fandrian’izy ireo. Tsy nisy nahafantatra ny fisian’ny grenady tao an-tranony, namoy ny ainy vokatry ny fipoahan’io fitaovana mahery vaika io ny zanaky ny tompon-trano tao Andongoza, fokontany Sava­ha­onina kaominina ambanivohitra Andrainjato Est, distrikan’i […]

Jery taratra…: Rivodoza hafa koa…

Ranolava ny fanehoan-kevitra ny amin’ny toriteny ta­min’ny fanompoam-pivavahana nitondrana amim-bavaka ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany ary ny taom-piasana 2023, teny amin’ny Coliseum, Antsonjombe, ny 15 janoary. Voateny tamin’izany ny momba ny hala-bato amin’ny fifidianana, ohatra, ny Tafika, ny fitananam-bola… Raisina toy ny fahavalo avy any ivelany ireo manana fisainana […]

Jiolahy ikoizana : rotiky ny balan’ny zandary i Lemana na Ravazaha

Maty voatifitry ny zandary ny jiolahy raindahiny tamin’ny fanafihana mitam-piadiana fantatra amin’ny anarana hoe i Lemana na Ravazaha tao Andranomadio Toamasina parsela 11/42 sy 11/43, omaly. Jiolahy ikoizana tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy vonoan’olona Ravazaha, na­mana akaiky an-dRasiha­naka. Nirefodrefotra vao maraina ny basy tao Andranomadio nandritra ny hetsika nataon’ny zandary tamin’ny […]

Tsy olana ny tetibolan’ny Ceni : “Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana”, hoy ny praiminisitra

Nitondra fanazavana ny raharaham-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, tao amin’ny TVM. Anisan’ny nitondrany fanazavana ny momba ny fifidianana. “Efa misy ny tetibola. Efa nanao fifidianana hatrany isika ary nahazo fampitaovana sy vola ny Ceni. Tsy olana ny fanampiana ny Ceni ary tsy maintsy hisy ny fifidianana amin’ity taona ity, […]