Songadina

Namaky tranombarotra: jiolahy roa tratran’ny polisin’ny SAG

Noraisim-potsiny! Voa­sam­bo­try ny polisin’ny “Ser­vi­ce Anti-gang” (Sag) teny Anosibe, omaly tolakandro ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny kaomandin’ny Sag fa naharay antso avy amin’ny tompona tranombarotra iray eny an-toerana izy ireo milaza fa misy olona maromaro mamaky ny trano fitobian’entany eny amin’ny faritra […]

Nolazaina fa mpamosavy : vehivavy naboridana, avy eo novonoina

Nolazaina fa tratra nandihindihy teo am-baravaran’olona niaraka tamin’ny kifafa ny ramatoa iray. Nosamborin’ny mponina izy ka maty niharan’ny fitsaram-bahoaka. Niely tamin’ny tambajotran-tserasera ny sa­rin’ny renim-pianakaviana iray maty novonoin’ny olona tao tetezana  mainty, Ta­nambao verrerie, ny 8 janoary. Araka ny filazan’ny fokonolona, tra-tehaka nandihy teo ambaravaran’ny fianakaviana iray, anatin’ny tanànan’i Tsa­rarivotra […]

Fandrobana 100 tapitrisa Ar: roa lahy lavon’ny polisy, tratra ny mpampanofa basy

Ankoatra ireo jiolahy roa maty voatifitry ny polisy, tratra ny mpiasa iray ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina mpampanofa basy ireo jiolahy… Tsy niandry ela ny poli­sin’ny Fip, nanoloana ny fanafihan-jiolahy mi­tam-piadiana mahery vaika tao amina mpandraharaha jirofo iray tao Tanamakoa Toamasina, ny zoma teo fa nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Vola […]

CUA-IFI : hitohy ny fiaraha-miasa hanatrarana ny veliranon’Iarivo

Niarahaba sy nirary soa ny ben’ny Tanànan’Anta­nana­rivo, Andriantsitohaina Naina ny fikambanana IFI (Isika Fikambanana miara-dia amin’ i Andry Rajoelina), omaly. Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny lanonana. Tonga nanatrika izany teny an-toerana Ra­ma­nambitana Richard, filohan’ ny fikambanana IFI sy ireo mpikambana eny anivon’ny boriborintany enina ary ny mpikambana eny […]