Songadina

Tsaboraha: Fetim-pianakaviana hifampiresahana amin’ny razana, any Betsimisaraka

Anisan’ny fomba ma­lagasy iray ma­tan­jaka any amin’ ny foko Betsimisa­raka ny tsaboraha. Efa miha lefy laza izany ankehitriny noho ny fivoaran’ ny teknolojia. Lanonana ara-drazana mbola tsy lefy laza ny an­tsoina hoe: “Tsaboraha” any amin’ny foko Betsimisa­raka. Fomba amam-panao iray eo anivon’ny rafi-piarahamonina ao amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana izy […]

Fanomanana ny fetin’ny Noely: Maro mpividy ny vatomamy eny an-tsena, ho mariky ny hafaliana

Rehefa ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely tahaka izao, mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny mividy vatomamy sy sokolà. Fomba efa fanao ho mariky ny fifampizarana ha­ma­miana sy hafaliana eo amin’ny isan-tokantrano sy ny isam-piangonana izany amin’ny ankapobeny. Andro iray sisa no isaina dia ho tonga ny fankalazana ny fetin’ny Noely. […]

Fiakaran’ny vidim-bary: Tsy tombontsoan’ny tantsaha fa an’ny mpanangom-bokatra

Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’entana, indrindra ny vidim-bary eny an-tsena hatramin’izao. Mahazo tombony betsaka amin’izany ny mpanangom-bokatra raha toa ka maty antoka ny tantsaha sy ny mpanjifa. Manodidina ny 950 ha­tramin’ny 1 200 Ariary eo ny kapoakam-bary eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao, raha ny zava-misy eny an-tsenakely. Voa­kasik’izany avokoa ny vary makalioka […]

Tomban’ny toetr’andro: Miakatra hatrany ny maripana, mety hitondra tsy fahasalamana ho an’ny olona

Ao anatin’ny vanim-potoana mafana isika eto Madagasi­kara amin’izao. Miakatra ny tahan’ny hafanana, indrindra amin’ny andro atoandro. Ma­ha­tonga aretina maro samihafa ho an’ny vatan’ny olona tsirairay avy izany. Miakatra ny maripana ho an’ny eto Madaga­si­kara raha ny fanazavana voaray avy amin’ny foibe famantarana ny mety ho toetry ny andro. Manodidina ny […]

Renivohitr’i Toamasina : Mikorontana ny fifamoivoizana, miteraka loza maro

Anisan’ny olana mahatonga ny trangana tsy fandriampahalemana sy lo­zam-pifamoivoizana ny faharatsian’ ny fotodrafitrasa. Miaina tanteraka iza­ny zava-misy iza­­ny ny ao Toa­ma­sina Renivohitra. Mikorontana tanteraka ny lafiny fifamoivoizana ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka, amin’izao foto­ana izao. Antony mahatonga izany ny fahasimban’ny fotodrafitrasa maro ao an-toerana. Vokany, tsy voahaja intsony ary minia tsy hajaina […]