Anisan’ireo malagasy tanora, fanta-daza amin’ny sehatrin’ny asa famoronana horonantsary fohy anaty tambajotran-tserasera, Facebook, Rasoanandrasana Patrick Jocelyn, na i Armel Patrick. Nisy ny fanadihadiana izay natao taminy, omaly. Efa miroborobo tanteraka izao ny resaka horonantsary mahatsikaiky ao anaty tambajotran-tserasera, Facebook, amin’izao fotoana izao. Ao anatin’ireo Malagasy, misehatra amin’ izany asa famoronana […]
Songadina
Rafi-piarahamonina sy fanabeazana: Nampifandraisana ny tontolo iainana sy ny fomba fampianarana
Miezaka ny mitady vahaolana eo amin’ ny sehatry ny fanabeazana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ireo tomponandraikitra any Toamasina. Manao hetsika maro izy ireo. Mizotra makany amin’ny mety ho loza mitatao ny firenena, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Samy milaza ny olana ianjadiany avokoa ireo tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly miankina […]
Tsingin’i Bemaraha : Toerana lavitry ny fandrosoana nefa mahasarika mpizahatany maro
Maro ny toerana sy faritra manatantara eto Madagasikara. Mahasarika vahiny, indrindra ny mpizahatany, ny fitsidihana azy ireny. Anisan’ny toerana be mpitsidika sy mahasarika ny Tsingin’i Bemaraha, ao amin’ny kaominina Bekopaka, distrika Antsalova, faritra Melaky, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ ny Tanànan’ny kaominina Bekopaka, Miandrizoky Jean Baptiste Franklin. Raha ho […]
Mampiahiahy ny resaka fandriampahalemana: Nampiantso ny OPJ rehetra ny Tonian’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina
Ho fanamafisana ny resaka fandriampahalemana, nampivory ny OPJ misy rehetra ny Toninan’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Ankoatry ny mahazatra amin’ny asan’ny polisy, zandary, dia nampiantso ireo sampandraharaha rehetra ahitana OPJ (Officier de police judiciaire), ny sampandraharahan’ny ala, ny Fandintseranana, ny Indositria sy ny varotra, ny Fahasalamam-bahoaka, ny Tonian’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana […]
Andrianambinintsoa Florent Pagny: “Ny fiezahanao ihany no hanananao fiainana tsara…”
Anisan’ireo Malagasy tanora efa fanta-daza amin’ny sehatry ny fanentanana sy ny fandrindrana lanonana eto Madagasikara Andrianambinintsoa Florent Pagny na i Pagny. Nitondra hafatra ho an’ireo tanora tahaka azy izy. Tanora iray efa manana ny toerany amin’ny resaka fanentanana sy fandrindrana lanonana sy hetsika eto Madagasikara, Andrianambinintsoa Florent Pagny na i […]




