Efa mifarana ny fotoam-pialantsasatra ho an’ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Mizotra sy miverina any amin’ny tany niaviany avokoa izy ireo tamin’ity herinandro ity. Betsaka, araka izany, ny fiara avy any amin’ny faritra mizotra mankaty Antananarivo. Efa manomboka miverina tsikelikely any an-tsekoly ny ankamaroan’ny mpianatra, tamin’ity herinandro ity. Efa tafaverina any […]
Songadina
Fotoanan’ny famadihana: mihena isan-taona ny fanjifana ireo fitaovana ampiasain’ny mpamadika
Amin’izao fotoana izao, mbola tafiditra tsara ao anatin’ ny vanim-potoanan’ny famadihana ny eto Madagasikara. Ny volana aogositra hatramin’ny oktobra no fotoana tena mahabe mpamadika eto amin’ny Nosy. Somary nihena ny fanjifana ny tsihy sy ny lambamena eny an-tsena. Famonosan-damba vaovao na famindrana toerana ny razana no antsoina hoe famadihana, araka […]
Fahaverezan-jo : misehatra amin’ny asa tsy manara-dalàna avokoa ny 90% amin’ny Malagasy
Very zo tanteraka ny ankamaroan’ny mpiasa malagasy. Noho ny tsy fijerena ny lafiny ara-tsosialin’ny mpiasa sy ny tsy fanajana ny zon’izy ireo, hoy ny avy amin’ny fiaraha-midiniky ny mpiasa eto Madagasikara. 10 % amin’ny vahoaka tokony hiasa ihany no miasa eny anivon’ny sehatra manara-penitra eto Madagasikara. Izy ireo no mizaka […]
Otra mipetraka: hanatsarana ny fikorianan’ny ra ao anatin’ny vatan’ny olombelona
Mahaliana ny ankamaroan’ny Malagasy ny otra, mba hitsaboana ny aretina samihafa eo amin’ ny vatana. Manodidina ny adiny roa eo ny fotoana lany amin’ny fanaovana izany, amin’ny ankapobeny. Teknika vaovao manampy sy manatsara ny fikorianan’ny ra ny otra mipetraka. Tamin’ny fotoanan’ny valanaretina, tsy dia nandaitra tamin’ny vatan’ny olombelona ny otra […]
Asa fibatana entana: vanim-potoana tsy fisian’ny asa izao
Volana tsy mampisy ny asa fibatana entana ny volana aogositra hatramin’ny oktobra, araka ny nambaran’ireo mpibata entana eny Anosibe. Miverina mihabetsaka kosa izany manomboka ny volana novambra hatramin’ny janoary, noho ny fiakaran’ny voankazo maro samihafa. Mibata entana eny amin’ ny tsenan’Anosibe no asan-dRakotoniaina Bruno. 5 taona izay no nanaovany ity […]