Tontosa ny alatsinainy 27 janoary teo, tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina ny famindram-pitantanana eo amin’ny ben’ny Tanàna teo aloha sy ny vaovao, izay hitantana ny tanàna ao anatin’ny dimy taona manaraka indray. Nanatanteraka izany Rakotonirina Nantenaina Herilala, ben’ny Tanàna teo aloha sy ny mpitsara, Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain, ben’ny Tanàna vaovao. […]
Songadina
Vidim-bary : Nidina 50 hatramin’ny 150 Ar eo ny vary vao eny an-tsena
Nandritra ny firotsahan’ny orana matetika tato ho ato, nahitana fidinany kely ireo vary vao na ny vary aloha eny anivon’ny tsena. Anisan’ izany, ny vary tsipala sy ny semence. Tsy mbola nahitana fihenana kosa ireo vary tranainy toy ny vary gasy sy ny makalioka. Nahitana fidinany 50 hatramin’ny 150 Ariary […]
Toamasina : 147 ireo antontan-taratasin’ady vita fitsarana tamin’ny andiany faharoa
Nisokatra nanomboka ny 04 novambra hatramin’ny 16 desambra 2024, ny fotoam-pitsarana mahakasika ny ady heloka bevava andiany faharoa. Nahafahana nanao izany ny ordonnance laharana faha-142-CC/CA/Toa/14, tamin’ny 11 oktobra lasa teo. Navoakan’ny filoha voalohan’ny fitsarana ambony mpisolo toerana, Rasoavololona Perrault Zafinera izany. 13 ireo mpitsara na mpamoaka didy misahana ny fotoam-pitsarana. […]
Lozam-pifamoivoizana : Ny hetraketraky ny mpamily no tena antony ho an’ny eto Antananarivo
Ny hetraketraky ny mpamily sy ny fitiavana mandeha mafy ny tena antony voalohany mahatonga ny lozam-pifamovoizana eto Antananarivo. Manampy izany koa ny fisotroana zava-pisotro mahamamo ataon’izy ireo eny am-pitondrana fiara sy kodiarandroa. Maro ny antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana, raha ny fanadihadiana natao. Ny hetraketraky ny mpamily sy ny […]
Olana amin’ny fananantany: Lasa antom-piveloman’ny olom-bitsy
Maro indrindra eny anivon’ny Fitsarana ambony sy ny ambaratonga voalohany ny resaka taratasin’ady mahakasika ady tany. Efa lasa fitadiavam-bolan’ny olona maro samihafa izany, raha ny zava-misy. Voalohany amin’ny hamaroan’ny antotan-taratasin’ady tonga eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony ny resaka ady tany, raha ny fanadihadiana natao. Ambeti-tenin’ireo tomponandraikitra […]




