Anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny ankamaroan’ ny mponina manerana ny Nosy amin’ izao fotoana izao, manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Anisan’ izany ny any Toamasina sy ny manodidina, izay nanaovana fanadihadiana. Saika miaka-bidy avokoa ny filana andavanandron’ ny mponina isan-tokantrano ho an’i Toamasina ambonivohitra manokana. Manodidina ny 3 400 Ariary ny iray kilao […]
Songadina
Aretina vokatry ny loto : mahavaky tsinay ary mitarika amin’ny tsy fahatsiarovan-tena lalina ny tefoidra
Vanim-potoana mampirongatra aretina maro ny fahavaratra tahaka izao. Antony mahatonga izany ny fiparitahan’ny loto entin’ny rano sy ny fako eny rehetra eny ka mampiparitaka ny tsimokaretina. Tafiditra ao anatin’izany ny tefoidra na fièvre typhoïde. Aretina mety mahafaty vokatry ny otrikaretina antsoina hoe: “Salmonella typhi” ny fièvre typhoïde. Anisan’ny aretina azo […]
Olana eo amin’ny fiarahamonina : mbola voahilikilika ny ankizy trisomika
Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny olona loatra ny Trisomie 21 na ny olona trisomika eto Madagasikara. Miteraka fitsarana sy fanilihina eny anivon’ny fiarahamonina izany zava-misy izany. Tsy aretina fa toe-tena eo amin’ny olona iray izy io. Lasa mitondra telo ny chromosome any amin’ny faha-21 raha tokony ho roa ny an’ny […]
Fahatsentsenan’ny tatatra ao Toamasina: harodana ireo trano sy fotodrafitrasa tsy mahafeno fepetra
Tontosa ny zoma 28 marsa teo, tetsy amin’ ny efitrano fivorian’ny Lapan’ny prefektiora Mangarano, ny fivoariambe na loabary an-dasy notarihin’ny governoram-paritra Rafidison Richard Théodore. Natrehin’ ny hery velona rehetra eo amin’ny tanàna. Nivoitra tamin’izany ny anton’ny fahatsentsenan’ny tatatra. Nivoitra tamin’izany ny antony mahatonga ny fiangonan-drano sy fahatsentsenan’ny lakandrano sy tatatra any Toamasina sy […]
Angovo fampiasa : mitombo ny fanjifana solika eto Madagasikara
Tsy mbola misy mahasolo tanteraka ny solika na eo aza ny fandrosoan’ny teknolojia isan-karazany. Ny fanjifana solika eto Madagasikara, araka ny Office Malgache des Hydrocarbures (OMH), dia tsy misy angovo azo havaozina afa-tsy 39,4% avy amin’ny rano; 1,4 % avy amin’ny masoandro ; 1,4% ihany koa avy amin’ny angovo hafa ( […]