Na dia anisan’ny fialambolin’ny Malagasy fahiny aza ny hiragasy. Mbola maro ny toerana ahitana azy ankehitriny, indrindra ny eny ambanivohitra. Efa ahitana izany ihany koa ny ety an-drenivohitra , indrindra ny eto Antananarivo, taorian’ny nahavitan’ny Kianjan’ny hiragasy eo Ampefiloha. Fampisehoana atrehin’ny vahoaka, mitovitovy amin’ny teatra atao an-kira, ahitana anatra sy […]
Songadina
Aretina choléra : vokatry ny tanana maloto ny tena mahatonga azy
Betsaka ny aretina mety hiseho sy mahazo ny ankamaroan’ny olona rehefa fotoan’ny orana tahaka izao. Anisan’ izany, ny fièvre typhoïde, aretim-pivalanana, ny tazomoka, ny aretin-kibo maro samihafa, ny choléra, ny lagaly, ny cysticercose… Azo avy amin’ny tanana maloto sy ny sakafo manta misy mikraoba ka tafiditra any am-bava avokoa ireo […]
Fetin’ny mpifankatia : fotoana hanamafisana ny fifankatiavan’olon-droa
Fotoana iray hanaporofoana ny fitiavana amin’ny alàlan’ny zavatra maro ny andron’ny mpifankatia. Toy ny fanomezana fehezam-boninkazo, teny mamy ary sakafo hariva any amin’ny trano fisakafoanana… Lasa andro manan-danja ho an’ny orinasa maro manararaotra amin’ny vidin’ entana kosa ny 14 febroary. Mankalaza ny 14 febroary ho fetin’ny mpifankatia avokoa ny firenena maro maneran-tany. Anisan’izany i Madagasikara. Tanora eo anelanelan’ny 22 hatramin’ny 35 no betsaka […]
Andro iraisam-pirenena ho an’ny onjampeo: fitaovan-tserasera maro mpankafy sy fampitam-baovao
Nomarihina omaly, ny andro maneran-tany ho an’ny onjampeo. Nisy ny fandaharana manokana nitambaran’ireo mpiasan’ny radio rehetra tao amin’ny Radiom-pirenena malagasy (RNM), omaly atoandro. Nifandrombonan’ny mpanentana amin’ny radio samihafa avy eto Antananarivo. “Ny radio: manamarika ny lasa, mampitoetra ny ankehitriny, fanoitry ny ho avy”, io ny lohahevitra nentina nanamarihina izany, tamin’ity […]
Kilalao fanorona : mahomby amin’ny zava-drehetra ataony ny mpandresy
Mieritreritra ny ankamaroan’ny olona, indrindra ny tanora ankehitriny, fa fandaniam-potoana ny fanorona. Kilalaon’ny tsy manan-katao. Variana amin’ny lalao nampidirin’ny vahiny toy ny hazakazaka vitsika, ludo… izy ireo. “Efa mitady ho faty ny kilalao fanorona eto Madagasikara satria ny mpitandro filaminana mihitsy no mandrava izany eny an-dalana eny”, hoy i Herindrainy Jean Patrick, filohan’ny […]